Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 12h51
 

Malagasy

« Ong Point du jour » : kaominina Anteza

Natolotra ireo paompy voizin-tanana

mardi 27 novembre 2007 | Hery A.

Tamin’ny zoma tolakandro teo no naneho ny fanamafisam-piaraha-miasa ny Ong « Point du jour » sy ny kaominina Anteza, anatin’ny distrikan’ny Manakara ka nanoloran’ity fikambanana manana ny foibeny any Frantsa ity tamin’ny fomba ofisialy ireo lava-drano miisa 7, miampy paompy voizin-tanana miisa 7 ao amin’ny kaominina Anteza. Nisy ihany koa ny fanomezana fanamiana sy baolina kitra ho an’ireo ekipa miisa 13 ao an-toerana. Nandray izany tetsy amin’ny hotel Radama ny ben’ny tanànan’Anteza, Randriamahatsara Jean Claude, izay nampahatsiahy ireo zava-bitan’ny Ong « Point du jour » nandritra ny taona 2007. Teo ohatra ny fanatanterahana teo ambany fitarihan’ny ministeran’ny Fahasalamana, ny Directeur Régional de la Santé sy ny Dokotera inspektoran’ ny distrikan’i Manakara, ny Dokotera Marie Thérèse Raharisoa miaraka amin’ny fanampian’ny mpianatra infirmiera 36 avy ao amin’ny IFSI (« Institut de Formation en Soins Infirmiers ») avy any Frantsa sy rasazy 2, natao nandritran’ny roa (2) volana sy 17 andro, ny fizaham-pahasalamana miisa 3000. Teo amin’ny fampianarana dia nisy ny Fanorenana sekoly miisa 3 : Mahavelo, Anteza sy Ampatsy. Ary ny rano kosa dia nisy ny fanaovana paompy 7 ao amin’ny fokontany : Amboanjo, Anteza, Ambodivohitra, Lavakianja, Ankeba Ouest, Ankerana sy Ambolomadinika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS