Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 13h31
 

Malagasy

Raharahan’antoko

Nahazo aina ny TIM, vizana ny CRT

lundi 30 juillet 2007 | Naivo kely

Mihazakazaka ny fitetezam-paritra ataon’ny antoko manao ny kongresim-paritra mialohan’ilay datin’ny 25 Aogositra hanaovana ny kongresy nasionaly ataon’ity antoko ity. Hitety ny faritra 22 ny filohany Razoarimihaja Solofonantenaina, ary ny raharaha anatin’ny antoko sy ny fifidianana izay atrehintsika tsy ho ela no voaresaka amin’io fitetezam-paritra io. Mazava ho azy fa mijery ifotony izay olona heverina fa harotsaka handray ny fahefana isam-paritra ihany koa ity antoko ity. Miha mahazo aina ny antoko amin’ny fitafana mivantana amin’ny vahoaka ka zary adino aloha hatreto ilay filazana tany aloha fa tsy mahalala mihaona amin’ny vahoaka ianareo raha tsy akaiky ny fifidianana tahaka izao.

Vizana ny CRT

Etsy ankilan’io kosa dia manomboka vizana ny CRTIM izay ahitana mpikambana ao anaty birao politika sy olom-boafidy maro teo aloha, ary ministra tafahala tamin’ny toerany. Tsy re tsaika intsony ankoatra ny fihaonana mahalana amin’ny mpanao gazety. Azo antoka fa tsy ho isan’ny kandidàn’ny TIM intsony izy ireo noho ny fahalalana fa mandritra ny kongresy hataon’ity antoko ity, dia tsy mba isan’ny olona hahazo fanasana ireo ondry ambara ho nania ireto. Mazava hatreto fa tsy maintsy hilatsaka izy ireo ka handeha amin’ny anaran’ny tsy miankina na dia samy manohana ny filoha Ravalomanana aza, kanefa dia ho tratry ny fivakisana, ary hizara ihany koa ny vahoaka hanohana ny tsirairay.

Mitazan-davitra ny mpanohitra

Antoko maro natanjaka teto no tratry ny ady an-trano tahaka izao, ary rehefa samy voahaisotra teo amin’ny fitondrana vao ireny iarahana mahita ireny ny fitambarana amin’ny hevitra irasana, saingy samy maka ho azy kosa ary very maina ny firaisan-tsaina rehefa injay tonga ny fifidianana. Momba ity fivakisan’ny TIM ity, dia manao tazan-davitra ny mpanohitra, manantena izy ireo fa ny olona tsy hankasitraka ny zava-misy iainan’ny malagasy ankehitrio, dia hiantoraka any aminy ny vato, ka tena afaka hiady hevitra malalaka amin’ny fiarovana amin’ny vahoaka rehefa tratry ny tsy rariny.

Na eo aza ireo rehetra ireo dia tsy hisy olona ho tafavoaka hiaka-dapa raha tsy eo ny vola enti-manana amin’ny lafiny rehetra, koa manana ohatrinona avy moa ireo izay mihevitra ny handeha irery raha tsy misy ny antoko matanjaka hiantoka ny bileta sy ny afisy ary ny fanomezana tsy mahavita andro omena ny vahoaka ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS