Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 05h46
 

Malagasy

Polisy mihoa-pefy

Misy dosie mafonja eo an-dalam-panaovana famotorana

vendredi 11 janvier 2008 |  582 visites  | Nivo T. A.

Nandritra ny famindran’asa teo amin’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena teo aloha, ny Controleur Général Rahaingo Jacky sy ny tale jeneraly vaovao, ny Controleur Général Talbot Alexis René Antonin, omaly maraina, teny Anosy, no nilazan’ity farany fa tsy azo leferina ny polisy mihoa-pefy sy mandika lalàna fa tsy maintsy mandeha ny fanenjehana.

Amin’izao fotoana izao, hoy izy, dia misy dosie mafonja mikasika izany polisy tsy manaraka fitsipi-pifehezana izany ka mandeha ny fanadihadiana. Mazava ho azy fa ankoatra ny fanenjehana ataon’ny fitsarana dia tsy maintsy misy koa ny fanejehana ataon’ny polisy, amin’ny alalan’ny fiakarana « Conseil de discipline ».
Mikasika ny resaka fitaovam-piadiana miparitaka etsy sy eroa, dia nilaza ny tale jeneralin’ny polisy vaovao fa efa fantatra avokoa ny momba sy ny isan’ny fitaovam-piadiana eo anivon’ny polisy ary mandeha ny fanadihadiana mikasika izay tsy hita.

Misy paik’ady vaovao moa apetraky ny polisim-pirenena mba hametrahana ny fandria-pahalemana ary hanakaikezana kokoa ny vahoaka. Mifandrindra amin’ny Politika ankapoben’ny fitondrana moa izany.

Anio moa no hatao ny famindram-pahefana eo amin’ny tale jeneralin’ny polisy teo aloha sy vaovao, izay hatao eny amin’ny Sekoly Ambonin’ny Polisim-pirenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS