Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 09h44
 

Malagasy

Toamasina I sy II

Mirongatra ny parasy lafrika

mercredi 23 janvier 2008 | Gilbert R.

Taorian’ny fitsidihana notarihin’ny minisitra lefitry ny fahasalamana nijery akaiky ny zava-misy manodidina ny departemanta nosahaniny, no nahatsirihana fa mirongotra izay tsy izy ny fiparihan’ny parasy lafrika anatin’ny kaomina Toamasina voalohany, indrindra ny kaomina faharoa. Tsikaritra araka ny fanadiadiana nataon’ireo delegasiona fa olona miisa 135 amin’ny 139 no idiran’izany parasy lafrika izany. Efa hatramin’ny volana desambra 2007 no nitrangan’izany tany amin’ny kaomina Mangabe sy Andondabe, samy anatin’ny distrika Toamasina II ka nahafaty olona miisa efatra.

Manoloana izany, no nandraisan’ny fitondram-panjakana baiko entitra fa manomboka anio talata faha 22 janoary 2008, dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamongorana izany parasy lafrika izany anatin’ny distrika Toamasina I sy faha II. Ho tonga eto amin’ny faritra Atsinanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fahasalamana hanao angaredona mandritra ny herinandro hifanome tanana amin’ny famonoana ny parasy lafrika izay mampitondra faisana ny mponina isiany ka ampiasa ny fanafody
« Aquito » araka ny voalaza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS