Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 18h54
 

Malagasy

Halatra aluminium tamin’ny fiaramanidina

Miaramila iray naiditra am-ponja

mercredi 30 janvier 2008 | Nivo T. A. |  678 visites 

Noravan’ity miaramila iray ny fiaramanidina kely DC3 nijanona teny amin’ny tobin’ny BANI-Ivato, tamin’ny alin’ny 18 janoary lasa teo. Ny aluminium tamin’izany fiaramanidina izany no nalainy. Araka ny vaovao azonay, dia najanony indray alina tao anatin’ilay fiaramanidina aloha ireo aluminium, izay vao nentiny nivoaka ny toby miaramila. Nisy nahatsikaritra izany halatra izany ka noraisim-potsiny ilay miaramila. Mbola sarona teny aminy ny aluminium. Nentin’ny lehibeny tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana moa ity miaramila ary natao ny famotorana azy.

Omaly no nentina tetsy amin’ny fampanoavana-Anosy ity miaramila ity ary naiditra am-ponja eny Antanimora mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.