Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 21h12
 

Malagasy

Jirama

Mazava ny fanarenana

mardi 29 mai 2007 | Naivo kely

Efa ela tokoa no niandrasan’ny mpanjifa herinaratra manerana ny Nosy, fanazavana matotra, mahitsy ary mazava ny amin’ny anton’izao olana mianjady sy ny vahaolana ilaina amin’ny orinasa Jirama izao. Tanteraka izany nandritra iny faran’ny herinandro iny, raha nivahiny tao amin’ny onjam-peo iray eto an-drenivohitra ny minisitry ny Angovo, Patrick Ramiaramanana.

Efa nanomboka tany amin’ny taona 1979 no efa nitotongana ny renivola fanodina (« capitaux propres ») tao amin’ny Jirama ka ny taona 2004, taona nanendrena ny minisitry ny Angovo ankehitriny ho filohan’ny filan-kevi-pitantanana (PCA ny Jirama), dia tany amin’ny miiba 153 miliara Ariary ny fitotongan’io renivola fanodina io. Izany hoe nihodina tao anatin’ny fatiantoka tanteraka ny orinasa Jirama araka ny fanazavana nentin’ Atoa Patrick Ramiaramanana. « Tsy nisy ny finiavana ara-pitantanana sy politika hanarenana io fatiantoka lehibe io nataon’ireo mpitantana teo aloha, ka antok’izao olana mianjady amin’ny orinasa ankehitriny izao », hoy ihany ny minisitra.

Fanarenana efa natao

Rehefa maty antoka moa ny orinasa, dia tsy afaka manatsara ny fitaovana ao aminy intsony, nefa ireo fitaovana ireo dia efa miha-antitra hatrany ka tonga amin’izao fahavoazana misy azy izao ankehitriny. Ho fanarenana izany dia natao ny fijerena ifotony ny fitantanana (« audit de gestion ») ny JIRAMA, ka avy amin’izany no nanaovana drafi-panarenana (« plan de redressement ») izay nentina teo anatrehan’ireo mpamatsy vola maro samihafa ka ahafahana nanatanteraka ny fifanaraham-pitantanana (« contrat de gestion ») izay politikam-panarenana ny fitantanana atao amin’ny JIRAMA amin’izao fotoana.

Vokatry ny fanarenana efa natao

Araka ny fanazavan’ny minisitry ny Angovo ihany no nahafantarana fa hatramin’izay nahavitana ny « drafi-panarenana » sy nanatanterahana ny « fifanaraham-pitantanana », izay nahatonga ireo mpamatsy vola vonona ny hiara-miasa indray amin’ny fanjakana Malagasy ho fanarenana ny JIRAMA dia efa hita ny vokatry ny fanarenana, « na dia tsy mbola tsapan’ny mpanjifa mivantana aza » satria raha tany amin’ny miiba 50% tany aloha ny « taham-pampidiram-bola » (« taux de recouvrement ») dia efa mahatratra any amin’ny 75% izany ankehitriny. Izany « taham-pampidiram-bola » 75% miampy ireo fanafoanana ny trosa nataon’ny mpamatsy vola no nahafahana nividy ireo « groupe » vaovao hoentina hanatsarana ny fanomezana herinaratra amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy sy nandoavana ireo trosan’ireo mpamatsy fitaovana (« fournisseurs ») ny orinasa izay efa nahatratra ny 8 volana mahery teo aloha ka izao tonga eo amin’ny 1 volana eo sisa izany trosa izany amin’izao fotoana.

Vokatra fohy ezaka

Tsy nihambahamba toy ny efa nahazatra azy hatrizay moa ny minisitry ny Angovo, Patrick Ramiaramanana nanambara fa « amin’ny volana Jolay ho avy izao dia efa hahatratra 50 miliara Ariary ny renivola fanodina (capitaux propres) ny orinasa JIRAMA ka hahafahana manome ao anatin’ny 3 volana monja herinaratra mihoatra izay ilaina manerana ny Nosy ».

Ny fanamby lehibe ho an’ny minisitry ny Angovo araka ny fanambarany ihany dia ny hampitsimbadika tanteraka ao anatin’ny 5 taona ny fomba famokarana herinaratra eto Madagasikara, ka tena ho tonga firenena manana angovo matanjaka ho enti-mamokatra isika araka ny MAP. Hatsimbadika ny fomba famokarana herinaratra ka ny 60% maherin’ny famokarana no ho vokarin’ny toho-drano fa ny 40% no miankina amin’ny solika. Ny taona 2008 izao ihany koa no hapetraka ny milina lehibe faha-3 manome herinaratra ao Andekaleka. Ao anatin’ny 5 taona dia hinoana fa efa afa-mamokatra herinaratra ihany koa ny toho-drano maro manerana ny Nosy, toy ny ao Mandraka 2, Betsiboka Ambodofoka, Sahanivotry, Tsiazompaniry, Ramena, Antetezambato, Taolagnaro sy ny maro hafa, ary tsy hadinoina ihany koa ny fampiasana ireo angovo azo soloina.

Vokatra maharitra (« Energies renouvelables »)

Ny taona 2009, no taona nambaran’ny minisitra fa hahatonga ny orinasa JIRAMA hanana fahafahana ara-bola (libre financier) ka afaka miditra tsara ho amin’ny fitantanana maharitra hisian’ny fiaraha-miasa amin’ireo tsy miankina ao anatin’ny fitantanana miara miombon’antoka (« Affermage ») tanteraka.

« Raha misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny mpanjifa sy ity orinasa JIRAMA ity, ka mitohy am-pilaminana ny fanarenana izay atao, vokatry ny fitantanana azo ambara ho gaboraraka an-taonany maro tao amin’ny orinasa, dia ao anatin’ny 5 taona dia hahatratra « 40 MegaWatt » ny famokarana herinaratra eto Madagasikara ». « Koa inoana fa ho firenena matanjaka sy afaka mamatsy tanteraka feno ny filàna ara-herinaratra sy angovo ho amin’ny fampandrosoana ilainy i Madagasikara », hoy ny minisitra mikasika ny vokatra maharitra ho azo ao aoriana vokatry ny fanatanterahana ny « drafi-panarenana » efa napetraka sy tanterahina ankehitriny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS