Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 12h44
 

Malagasy

Ambanidia

Maty voatifitry ny polisy i Tita

lundi 21 janvier 2008 |  749 visites  | Nivo T. A.

Nirefotra antoandrobe indray ny basy tetsy Ambanidia, tamin’ny sabotsy lasa teo. Jiolahy iray nokarohan’ny polisy hatramin’ny ela, fantatra amin’ny anarana hoe Tita no maty voatifitra.
Tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any no nitrangan’ity toe-javatra ity, teo akaikin’ny fiangonana katolika etsy Ambanidia. Tamin’ny ora izay nahabe ny mpandalo sy ny fiara nifamoivoy ka nihoron-koditra ny olona nandre ny poa-basy antoandrobe. Misy inona indray ? Iza indray no voatifitra ? Hay moa ka jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ary tafiditra ao anatin’ny fikamban-jiolahy i Tita. Nandray anjara tamin’ny fanafihana maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina izy ary mbola saika hanao « opération » izy, ny asabotsy lasa teo no nifanehatra tamin’ny polisin’ny GIR (Groupe d’Intervention Rapide) avy etsy Tsaralalàna. Voatifitra teo amin’ny tanany i Tita ary namoy ny ainy teo noho eo. Nisy namany niaraka taminy moa saingy tafaporitsaka.

Araka ny fanampim-baovao azonay dia anisan’ireo jiolahy nitifitra polisy roa tetsy Andravoahangy i Tita tamin’ny taon-dasa iny. Efa nisy holatra ihany koa ny kibony noho izy voatifitry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Ambohijatovo saingy tafatsoaka izy tamin’izay fotoana izay. Naman-dry Charles kely, izay jiolahy nikoizana efa any am-ponjan’i Tsiafahy moa i Tita. Efa naterina any amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny fatiny miandry ny fianakaviany.

Tato anatin’ny herinandro izao dia nahazo vahana ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy, ary dia nisy hatrany ny namoy ny ainy tamin’izany. Asa aloha raha valifaty izany na fifandrifian-javatra. Ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fanafihana polisy tetsy Antsalovana-Antohomadinika moa dia efa 16 no voasambotra ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS