Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h17
 

Malagasy

Taratasin’ny mpamaky

Marc Ravalomanana : Tsy baikona fa mampiasa vazaha

vendredi 26 octobre 2007

« Arahabaina ny fitondra-mpanjakana fa nahatsangana Antenimieram-pirenena vaovao. Indrindra moa fa mpahay lalàna sy mpitarika entitra tahaka an’i Me. Sylla no lohany. Ny zavatra nanahirana fotsiny dia ny filazan’ireo mpitazana sasany na ireo mpanohitra hoe noho ny »pression« atsy sy aroa no nahalany an’i Me. Jacques Sylla ho filohan’ny Antenimieram-pirenena. Samy mahalala ny toetran’ny filoham-pirenena daholo isika. Toa tsy tiany mihitsy izany hoe baikobaikon’ny vahiny izany. Toa mampiasa vahiny aza no tena tiany. Efa im-betsaka isika no nahatsikaritra fa na iza vahiny, na inona antony na inona dia tsy manaiky lembenana izany ingahy Ravalomanana. Koa raha marina fa ny filoha mpanorina ny TIM no tompon-tsafidy tamin’izay kandidà natolotry ny TIM ho fidiana ho filohan’ny Antenimieram-pirenena, dia tsy noho ny »pression" avy atsy na avy aroa.

Raha tsara fitadidy ny tenako dia vao haingana ny filoha Ravalomanana no mbola nanindrotsindrona ireo firenen-dehibe tany amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana. Ary tsy nisy izay tsy voaringotra tao na ny Amerikana aza. Fandre matetika mantsy hoe akaiky be ny Amerikana ny mpitondra ankehitriny kanefa dia mijanona ho Malagasy mahaleotena sy andriamanjaka amin’ny taniny ihany izy ireo. Isan’ny nihoby sy nankato ny fandavan’ny firenena sy mpitondra afrikana maro ny hitsabatsabahana ara-miaramila sy hitsanganan’izay mety ho Etamazaoro amerikana na AFRICOM izany aty Afrika, tahaka ireo mpikambana ao amin’ny « Union Africaine », ny filoha Ravalomanana".

Solo R. Antsahabe

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS