Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 19h09
 

Malagasy

Antsiranana

Mandrahona hitokona ireo ray aman-drenin’ireo ankizy notanana am-ponja

jeudi 6 mars 2008 | Nivo T. A. |  473 visites 

Mbola mitohy ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana any an-tampon-tanànan’Antsiranana. Nahatratra 121 moa ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana, nandritra ny hetsika manokana, ka ny 55 tamin’ireo no nentina taty an-drenivohitra mba ho tsaraina, araka ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny fitsarana. Tsahivina fa 23 tamin’ireo no zaza tsy ampy taona. Ny ray aman-drenin’ireto farany moa dia efa nanao fihetsiketsehana fotoana fohy taorian’ny nitondrana ny zanak’izy ireo niakatra taty Antananarivo. Araka ny vaovao azonay farany dia toa hoe mandrahona ny hanao fihetsiketsehana indray ry zareo, amin’ny asabotsy 8 marsa izao, ho fitakiana ny fampodiana ny zanak’izy ireo.