Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 14h19
 

Malagasy

Kardinaly Razafindratandra

Manasitrana amin’ny tànana

samedi 23 août 2008 | Manjaka Hery
Ny Kardinaly Razafindratandra.

« Tsy izaho no manasitrana fa Andriamanitra », hoy ny Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra, raha namaly ny fanotaniana momba ny fanasitranana vitany amin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana izy. Manome fanazavana momba izany izy, ary koa mitantara ny 30 taona maha eveka azy.

Madagascar Tribune : Afaka mba omenao fanazavana ve ny momba ny fanasitranana vitanao amin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana ?

- Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra : « Tsy ny olona no manasitrana fa Andriamanitra irery ihany. Toa izany rehefa mangataka fahasoavana amin’i Victoire Rasoamanarivo isika. Ao ny mahazo valim-bavaka, ao kosa ireo mbola mila miandry araka ny fandaminan’Andriamanitra. Raha ho ahy manokana dia tsy manasitrana aho, fa manome toro hevitra fotsiny ihany. Tsy manao fahagagana aho fa mahalala ny zava-boahary, dia manoro hevitra ireo olona araka izay mba kely fantatro. Manana « don » koa anefa aho, nolovaiko tamin’ireo raiamandreniko, amin’ny fanasitranana ny hozatra sy ny nofo. Misy karazana angovo avy amin’ny tanana afaka manasitrana amin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana. Izay ihany no kely mba mety ho vitako ».

Raha fintinina kosa ny niainanao amin’ny maha Eveka anao dia inona no azo ambara ?

- « 30 taona izao no naha Eveka ahy. Ny 2 jolay 1978 aho no nohamasinina ho eveka. Efa 24 taona niainana ny maha pretra ahy aho tamin’izay. Izany hoe 54 taona izao no naha pretra ahy. Tao anatin’izany dia 17 taona no nitantanako ny diôsezin’i Mahajanga. 11 taona no nitantanako ny arsidiosezin’Antananarivo, ary 2 taona aho izao no nisotro rorono. 17 taona aho no nitantana ny diozezin’i Mahajanga. Midadasika be io diôsezy io. Manoboka eo Andriba ka hatrany Mandritsara, Ampatana. Raha miala eto Antananarivo ianao ka makany Mahajanga dia ny ankavanana tendrombohitra, ny ankavia renirano. Tsy misy afa tsy iny làlampirenena iny ihany no azo aleha. Dia an-tongotra no atao raha hitsidika toeran-kafa. Nahavita 400 km isam-bolana ao tamin’ny dia an-tongotra. Sarotra ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra tamin’iny faritra iny. Satria tsy mahay mamaky teny ny olona dia tsy azo atao ny mamaky boky rehefa manao lamesa sy mitory teny fa manao tsianjery. Misy koa ireo izay nilaza fa fady mivavaka. Dia voatery nandresy lahatra azy ireo. Ny olana dia tena vitsy ihany koa ny fiangonana. Isaky ny 30 km ka hatramin’ny 50 km vao mahita fiangonana, ka zara raha misy olona 35 mivavaka, ary amin’izy ireo dia zara raha misy 5 mpandray kominio ».

Nanao ahoana kosa ny niainanao ny fiverenana teto Antananarivo ?

- « 17 taona aty aoriana, efa niova be Antananarivo. Mila niverina nizatra sy nanavao indray ny tena. Nisahana ny arsidiôsezy. Izany hoe ireo diôsezy manodidina toa an’Antsirabe, Ambatondrazaka, Miarinarivo, Tsiroanomandidy. Misolo toerana ireo eveka rehefa tsy eo izy ireo, na maty. Avy eo dia notendren’i Papa ho mpanolon-tsaina azy. Antsoina any Roma rehefa misy ilana izany. Nisy fotoana in’enina aho tao anatin’ny taona no nakany Roma namaly ny fiantson’i Papa. Tafiditra tao anatin’ilay antsoina hoe “Congrégation”, izay sahala amin’ny karazana minisitera. Misahana ny fampihelezana ny finoana. Ekena fa tany mandroso amin’ny finoana i Madagasikara, fa mbola maro ireo tsy kristianina ».

Manao ahoana ny fisotroan-dronono any Besalampy ?

« Tsy mahazo fisotroan-dronono moa raha tsy 75 taona, ary tsy maintsy mangataka izany. Tamin’ny faha 75 taonako anefa dia, efa tonga daholo hanao veloma ahy ny olona, kinanjo dia tonga ny taratasy avy tany Roma nilaza fa voaray ny fangatahako hisotro ronono,saingy mbola nasaina nijanona kely aho. Izay kely izay moa dia naharitra 5 taona. Izany hoe 80 taona aho vao lasa nisotro ronono. Matetika rehefa anontanian’ny olona aho dia mamaly boraingina hoe be ronono any Besalampy ka izany no antony nisafidianako ny ho any. Saingy ny tena marina dia tombom-pitiavako manokana iny toerana iny. Somary voahidy iny toerana iny. Toerana fanasazina fonctionnaire taloha iny toerana iny. Vitsy ny kristiana any, iray amin’ny olona zato. I Baba no hiantsoan’ny olona ahy any. Dia miseho ho baban’ny olona rehetra mba hampafantatra ilay Baba Andriamanitra. Manana sekoly izahay any. 100% ny voka-panadinana CEPE tany aminay tamin’ny farany teo ».

============================
- Vakivakim-piainan’i Kardinaly

Nahavita be teo amin’ny mpiara-belona izy

Ankalazaina rahampitso ao amin’ny kôlejy Masina Misely- Amparibe ny faha 30 taona naha- eveka ny Kardinaly Razafindratandra Armand. Indro misy sombim- piainana mba ahafantarana momba ity ray am- panahy miavaka indrindra ity.

Teraka ny 7 aogositra 1925 tao Manjakandriana. Zanak’i Paul Razafindratandra sy I Josephine Rasoanoro. Nianatra tao Faravohitra nanomboka ny taona 1938. Avy eo dia nifindra tany Andohalo. Nianatra teny amin’ny seminera zandriny teny Ambohipo nandritra ny taona 1938 ka hatramin’ny taona 1942. Avy eo dia nandalo tao Amparibe ny 1942 ka hatramin’ny 1945. Rehefa vita izay dia nandalo tao Ambatoroka nandalina momba ny filôzôfia ny taona 1945 nandritra ny roa taona. Avy eo dia nandalo telo taona tao amin’ny Kôlejy Masina Misely- Amparibe, nanabe sy nampianatra. Nandalina momba ny teolojia tao Ambatoroka ny taona 1950 ka hatramin’ny taona 1954.

Sodiakra

Tonga Sodiakra ny 15 desambra 1953, ary diakra ny 1954. Nohamasinin’i Mgr Victore Sarte ho pretra ny 27 jolay 1954. Avy eo dia nakany Paris naka ny « Licence de catéchèse et sciences sociales ». Nandritra izany no nitanany ny andraikitra maha « Aumônier de la paroisse Etudiante et des Etudiants Malgaches en France ». Ny taona 1956 ka hatramin’ny 1971 izy dia nifandimby nitondra ny paroasy Andohalo, Ambohimtsimbina, Ambavahadimitafo. Niandraikitra ihany koa ny fampianarana katesizy tany amin’ny sekolim-panjakana,sy tsy minakina. Nisahana ihany koa ny fikam-banan’ny Fon-dehilahy, TAMPIKRI, sy FIHEZAMA, ary ny « aumônerie des colonies de vacances ».

Arseveka

Nandritra izany izy dia efa nampiofana katesizy tao amin’ny « Centre national de formation catéchétique ». Rektoran’ ny seminera zandriny tao Faliarivo ny 1971 ka hatramin’ny 1972. Ary nifindra nanabe sy nampianatra tao amin’ny seminera zokiny tao Ambatoroka ny 1972 ka hatramin’ny 1978. Nandritra izany dia niandraikitra ny paroasin’Antanimena ny taona 1976 ka hatramin’ny 1978. Ny 27 aprily 1978 izy no voatendry ho eveka tany Mahajanga. Ary ny 2 jolay, io taona io ihany no nanamasinana azy ho eveka. Ny 13 may 1994 indray izy dia no voatendry ho arsevekan’Antananarivo, ary tafaverina teto an- drenivohitra ny 15 may io taona io ihany. Ary dia nandray ny arsidiosezy tao amin’ny ESCA. Ny 30 oktobra 1994 izy no voatonona ho Kardinaly, ary nohamasinina amin’ny maha karidinaly azy ny 21 novambra io taona io ihany. Tao amin’ny Consistoire tao Roma no nandraisany ny akanjo, ny peratra maha kardinaly azy. Ary dia mitondra anarana ao amin’ny fiangonan-dry masindahy Sylvestre sy masindahy Martin-des-monts izy. Mpikambana ao amin’ny “Congrégation pour l’Evangelisation des peoples” sy ao amin’ny “Conseil Pontifical” ho an’ny lahika ihany koa izy. Ny 17 desambra 1994 no namakiana nandritra ny lamesa lehibe ny “Bulle” nanendrena azy ho Kardinaly. Ary farany dia ny 15 oktobra izy no nahazo ny « Grand Croix de l’ordre national de deuxième classe ».

(Notsongaina avy amin’ny soratra voatahirin’i Père Joseph Martial Rasolonjatovo, mpiandraikitra ny arsiva sy ny tranom-boky ao amin’ny EKARA Andohalo, diosezy Antananarivo)

============================
- Olon’ny fivavahana

Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra, arsevekan’Antananarivo ny taona ny 1993 ka hatramin’ny 2006. Nitana ny teny filamatra manao hoe « Mba ho iray ihany anie izy rehetra » Jaona –17, 21. Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny trano fitahirizam-boky ao amin’ny EKAR Andohalo dia « tsara fahasalamana, tia ny miantehatra amin’ny fitsaboana malagasy, ary mampahatsiaro an’i Hernani (Victor Hugo) ny kardinaly. Tia sy havanana ihany koa amin’ny fanatanjahan-tena. Maro ny fanatanjahan-tena ankafiziny : ady totohondry, baolina kitra, baolina lavalava, lomano, ary koa ny nanaovany skoto zokiny izay antsoina hoe “jeux de nuit”. Nitarika ny « Marakely », izay endrika ara-javakanto teo amin’ny seminera kely tao Amparibe. Mpamorona sy mpanangan-javatra toa ny FIHEZAMA ( Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy), sy ny ASSM ( association sportive Saint Michel).

Fihezama

Izy ihany koa no nanangana ny « Lapan’ny Tovolahy » eny Andohalo, sy ny « Rovan’ny Tovovavy » ao Antanimena. Niadidy ny « Marolefa » izay komity misahana ny fitondrana ny ankizy avy amin’ny fianakavaina sahirana ara-pivelomana, haka fialan-tsasatra. Mpamporon-kira koa toa ny « Zahay marolefy dia falifaly lava, Veloma ihany ny aina ». Raha ny teo amin’ny lafin’ny ara-piangonana dia angady nananana sy vy nahitana ny boky fandalinam-pinoana « Nampihavaniny isika ». Loharano teo amin’ny sehatry ny firaisam-pinoana teto Madagasikara ihany koa ny Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra. Natombony tao Ambavahadimitafo izany resaka firaisam-pinoana izany, niaraka tamin’ny Pasitera Daniel Ralibera. Efa filohan’ny FET na Filankevitra Ekiomenika momba ny Teolojia, ary efa filoha lefitry ny VEFKA na vaomiera ekiominikan’ny fiangonana kristianina eto Antananarivo koa izy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS