Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h16
 

Malagasy

Fonjan’i Tsiafahy

Lava-piringa no hitoeran’ny vadiko

vendredi 8 juin 2007 | Naivo kely

« Tsy voahaja ny zon’olombelona raha ny mahazo ireo voafonja eto Madagasikara no asian-teny, satria na ny sakafo hohanin’ireo ambara fa meloka aza, dia zara raha misy mangahazo eran’ny sotrobe isan’andro. Lava-piringa no hitoeran’ny vadiko, ary soa aza fa mba nanaiky notampenana io faritra fanaovana maloto ao Tsiafahy io ». Fanazavan’ny vadin’ny depiote Voninahitsy izany, ary voalazany fa « maizina tsy hifankahitana ny toerana misy azy, raha tsy mandrehitra labozia ianao. Saiky gadra Politika avokoa ireo miaraka aminy, kanefa na dia izany aza dia an’Andriamanitra ny zava-drehetra satria tsy meloka ny vadiko, ka hisy ny farany amin’ny raharaha tahaka izao ». Ny Jeneraly Andrianafidisoa no mpiray faritra amin’ity depiote ity, ary ry zareo ireo no mamamatsy sakafo ho an-dry Kotity sy ny namany, izay hita fa manomboka miha-reraka isan’andro ao amin’ity fonja be ity.


Momban’ny karaman’Ingahy Voninahitra : Niala bala ingahy Ministra

Hentitra ny tenin’i ministry ny vola Andriamparany Radavidson, raha namaly ny momba ny fanapahana ny karaman’ireo depiote migadra toa an’i Voninahitsy ny tenany, fa misy ireo fepetra tsy maintsy harahana ataon’ny ministera. Nivoaka ny didy nataon’ny fitsarana manameloka ireto depiote ireto, ka tsy maintsy raisina mifanandrify amin’izay ny raharaha mba tsy havoasaringotra ny mpamoaka didy ao amin’ny ministera. Tokony hampiakatra ny raharaha eo anoloan’ny « Chambre administrative » ny depiote ka raha mivaly io, dia afaka miverina amin’ny laoniny ny fanomezana ny vola sahaza azy ireo. Nilaza kosa anefa ramatoa Pelops vadin’i Depiote Voninahitsy fa miala bala sy mifanipy baolina ny ministry ny vola sy ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Ny antony dia efa tamin’ny andron’ingahy Ratsiraka no mbola tsy azo ny vola raha nigadra ity depiote ity. Ny volana septembra lasa teo no nanomboka tapaka ny tambikaraman’ity depiote migadra eny Tsiafahy ity, kanefa mbola miakatra fitsarana tampony ny raharaha ka ho hita eo ny tohiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS