Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Fanambarana

Kabarin’ny filohan’ny tetezamita amin’ny tsy filatsahany ho fidiana ho filoham-pirenena

mercredi 16 janvier 2013

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Araky ny efa nolazaiko dia manoloana anareo Malagasy Namako no anambarako ny fanapahan-kevitro. Koa amin’ny fo feno fitiavana no iarahabako anareo rehetra isan-tokantrano manerana ny Nosy.

Nametraka fitokisana sy fanantenana tamiko ianareo nanomboka tamin’ny taona 2009. Ary izany no nahafahako nitantana ny Firenena Malagasy, amin’ny maha-Filohan’ny Tetezamita ny tenako.

Tsapako ny fitiavanao ry Malagasy Namako. Izany no nahatonga ahy, manana herin-tsaina sy herim-po, ary mbola mampijoro sy mampitraka ahy hatrizay ka hatrizao.

Nanampy ahy tamin’ny fomba rehetra ianao, ianareo. Nanohana ahy ankitsim-po ary sarobidy amiko loatra izany. Izany indrindra ry Malagasy Namako no ankasitrahako anao manokana androany.

Ary tiako ho zaraina aminao fa tsy nikely soroka ny tenako, niasa andro aman’alina, nanao ny ezaka rehetra hampandrosoana ny Firenena, ary voaporofo fa afaka ataontsika tsara ny manangana, ny manorina ary ny manatanteraka ireo fanamby lehibe rehetra napetraka na dia tao anatin’ny Tetezamita aza.

Tsy mora anefa izany rehetra izany, indrindra fa ny tondrozotra izay nankatoavintsika, dia nanery hiara-hitantana amin’ireo Hery Pôlitika samihafa, eny hatramin’ireo Mpanohitra aza, izay manasarotra ny fitantanana ny asa aman-draharaha sy ny fitondràna ny Firenena, kanefa làlana tsy maintsy nizorana izany, mba nahafahantsika miroso, mankany amin’ny fikarakarana ny fifidianana eken’ny rehetra.

Nisedra olana maro isika. Fa na dia teo aza izany, dia nanamafy ny fahavononako hiroso hatrany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny toe-tsaina no tena tokony hovaina satria izany mantsy no fototra hiorenenan’ny fampandrosoana.

Ny tsy fahadiovam-po sy ny tsy fahadiovan-tsaina no tena mampikatso antsika. Satria ny fialonana no miteraka fiatsarambelatsihy. Ny fiatsarambelatsihy no mitarika fankahalàna. Ary ny fankahalàna no mitondra amin’ny famadihana mihitsy aza.

Nandritra izay 4 taona latsaka izay tokoa, no nahafahako nandinika ny toe-tsaina ary ny fihetsik’ireo Mpanao Pôlitika sasan-tsasany.

Misy ireo faly mitsikera fotsiny n’inon’inona atao nefa tsy mba manana na manolotra vahaolana mahomby, tao ireo tsy nieritreritra afatsy ny hanakorontana ny Firenena, ny hampisara-bazana, eny, ny hifandonan’ny samy Malagasy mihitsy aza.

Izany tetika ratsy rehetra nokasaina izany dia tsy nisy tanteraka avokoa. Ary isaorantsika Andriamanitra fa tsy tafiditra tao anatin’izany velam-pandrika izany isika. Voasakantsika ny ady an-trano ary ho tandrovintsika hatrany ny tsy hisian’izany eto Madagasikara.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Te hifampizara aminao aho androany fa niaro ary miaro hatrany ny fiandrianam-pirenena sy ny fahafahana, izay tena maha-saropiaro antsika. Dia ny fahafahana mandray fanapahan-kevitra, ny fahafahana misafidy, ary ny fahafahana mandidy sy manapaka amin’ny ho avin’ny Firenentsika.

Ry Malagasy Namako manerana ny Nosy,

Mila olona tena manana fitiavan-tanindrazana ny Firenena, manam-panahy, itoeran’ny fahendrena ary matahotra an’Andriamanitra. Olona vonona amin’ny zava-drehetra, ho fampandrosoana an’ity Madagasikara malalantsika ity.

Ny hatsaran’ny zavatra ataony sy vitany tokoa mantsy, no hitsaràn’ny Vahoaka ny Filoham-pirenena iray, ary ny fitiavan-tanindrazana no tokony hibaiko azy mihoatra ny zava-drehetra.

Ny tenako dia mipetraka ho vahaolana ho an’ny Firenena, fa tsy ho olana velively.

Izany indrindra no anambarako ho ren-tany, ho ren-danitra, ary eo anatrehan’ny Firenena iray manontolo, no anamafisako ny fanambarana izay efa nolazaiko tamin’ny faha-12 mey 2010, fa tsy hilatsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izao ny tenako.

Aleo izaho no atao sorona, toy izay ny Firenena iray manontolo.

Aleo izaho no atao sorona, toy izay ny Vahoaka Malagasy 22 tapitrisa.

Izany fanapahan-kevitra izany dia soso-kevitra efa narosoko hamahana ny olana teto amin’ny Firenena, nanomboka ny taona 2009, tany Maputo ka hatrany Seychelles.

Tsy nivadika tamin’ny teny nomeko aho ary mijoro amin’ny hevitro hatrany amin’ny famahana ny olana. Madagasikara no jerentsika, ny mahasoa ny Vahoaka Malagasy no banjinintsika.

Mipetraka ho vahaolana ho an’ny Firenena ny tenako androany, àry vahaolana ho an’ny Firenena rahampitso. Izany no anehoako ny fitiavan-tanindrazana ho anao Ry Malagasy Namako.

Tsapako anefa fa maro aminareo no mametraka fanantenana sy fitokisana amiko. Tsarovy fa tsy hamela anareo ho irery aho. Aza malahelo ianareo, fa mijere lavitra, ary ny ho avy banjinina.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Fandaminana no ilaintsika. Filaminana no katsahintsika.

Koa ny fanatontosàna ny fifidianana solom-bavam-bahoaka mialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena, no heveriko fa handamin-javatra sy hitondra filaminana.

Fa ny fanaovana fifidianana mitambatra, dia hiteraka olana hafa indray eto amin’ny Firenena, araky ny efa nambarako ombieny ombieny.

Adidiko sy andraikitro ny mitandro, toy ny anaka andriamaso, ny fahavitàn’ny fifidianana araky ny tokony ho izy, tsy misy korontana. Azo tanterahina tsara izany, mifanaraka amin’ny tetiandro efa voatondro manelanelana ny volana Mey ka hatramin’ny volana Jolay.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Fifampidinihana, fifanakalozan-kevitra sy fijerena vahaolana maharitra, no natao niaraka tamin’ireo Filoham-pirenena, ao amin’ny TROIKA-n’ny SADC.

Nifanarahana tamin’izany fa tsy maintsy mipetraka sy mitoetra hatrany, ny fepetra mifehy ny toe-javatra rehetra mety hitarika sy hiteraka fikorontanana eto amin’ny Firenentsika, mandra-tafapetraky ny Filohan’ny Repoblika Fahaefatra.

Adidiko ny mitondra sy ny mitantana ny Tetezamita hatramin’ny farany. Ary vonona aho ny hanao famindram-pahefana milamina, ara-demôkratika voalohany eto Madagasikara. Ary dia mirary soa sahady ho an’izay hisolo toerana ahy ary hampitàko aminy ny fanalahidin’i Madagasikara.

Ry Malagasy Namako,

Afaka volana vitsy dia hiverina ho olom-pirenena tsotra, toa anareo ny tenako. Izany anefa dia tsy hahasakana ahy ho eo anilanareo mandrakariva, ary matokia ianareo fa tsy hamela anareo ho irery aho.

Eto aho dia, te hankasitraka manokana anareo Malagasy Namako rehetra, te hisaotra manokana anareo rehetra niara-niasa tamiko sy anareo rehetra izay niara-dia tamiko, hatramin’ny voalohany ka hatramin’izao fiafaran’ny Tetezamita izao.

Mankasitraka manokana koa anareo Foloalindahy sy anareo Mpitandron’ny Filaminana, izay nampiseho herim-po sy fahavononana hatrany, tao anatin’ny adidy aman’andraikitra nankinina taminareo.

Tsy haiko ny tsy hitodika ihany koa amin’ ny vady aman-janako, izay nanohana sy nankahery ahy hatrany, tamin’ny fotoana tena sarotra. Misaotra.

Ary misaotra ihany koa anao, anareo, izay tsy nitsahatra nanenjika ahy, fa dia namporisika ahy hiezaka hanome ny tsaratsara kokoa hatrany izany.

Misaotra indrindra, eram-po, eran-tsaina, antsika rehetra.

Ry Vahoaka Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Ny Mpitondra sy ny fiainana dia mandalo, fa ny atao dia mijanona sy mitoetra ho Tantara. Koa aleo lova tsara no ho apetraka ho an’ny Taranaka faramandimby !

Manao antso amin’ny rehetra aho mba hanova fo sy saina, ary hanary ny fankahalàna sy fifanenjehana.

Eto am-pamaranana dia tsy aiko ny tsy hankasitraka ireo mitrotro am-bavaka mandrakariva ho an’ity Firenena ity.

« Ho Tanteraka anie ny Sitrapon’Andriamanitra,

Mamiko loatra Madagasikara,

MASINA NY TANINDRAZANA » !

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS