Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 07h19
 

Malagasy

Fitifirana zandary tany Betsinjaka-Toliary

Hotsaraina anio ireo olona roa voarohirohy

mardi 22 janvier 2008 |  390 visites  | Nivo T. A.

Hiakatra fitsarana anio ilay raharaha fitifirana zandary tany amin’ny fokontany Ambolofoty, kominina Betsinjaka, distrikan’i Toliary II, tamin’ny alin’ny 26 desambra lasa teo. Miaramila iray sy sivily iray moa no voarohirohy tamin’izao fikasana hamono olona izao.

Tsiahivina fa tamin’io alin’ny 26 desambra io dia nanao « jado » (fiambenana sy fiarovana ny tanàna) ny vatan-dehilahy tao an-tanàna, izay fomba amam-panao eo anivon’ny kominina mba hisorohana ny asan-jiolahy. Araka ny dina mifehy ny « jado » moa dia tsy maintsy miambina miaraka amin’ny fokonolona izay olona mivezivezy amin’ny alina kanefa tsy manana karatra ary tsy avela manohy ny diany.

Tamin’ny fiambenana nataon’ireo ampahany amin’ny jado dia nifanena tamin’ny fiara P.405 ry zareo. Tsy navelan’ireo jado nanohy ny diany ilay fiara izay nitondra olona enina. mamo rahateo ihany koa, araka ny vaovao azonay, ireo olona tao anatin’io fiara io. NIla vaniny tamin’ireo « jado » moa ireo olona tao anatin’ilay fiara ary niafara tamin’ny famoahana basy mihitsy izany.

Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Niezaka nandamina ity zandary iray, izay nanao fanamiana sivily, ary tsy nitonona ho zandary saingy indrisy fa basy no setrin’izany. Niezaka niaro ny tenany ilay zandary saingy niantefa tany akaikin’ny fony ny bala. Voa mafy tokoa ilay zandary ary hatramin’izao fotoana izao dia mbola tsy miverina amin’ny laoniny ny fahasalamany. Voatery nodidiana mihitsy moa izy nanesorana ny bala tao anatin’ny vatany.

Ilay olona nitifitra moa dia fantatra fa vinanto-na kolonely ary miaramila miasa any Toliary no niaraka aminy teo aloha, izay samy nila herisetra tamin’ireo « jado ». Notanana am-ponja izy roa lahy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana izay hatao anio. Ankoatr’ireo dia vehivavy roa hafa ihany koa voarohirohy tamin’izao raharaha izao. Ny iray tamin’ireo vehivavy ireo moa no tompon’ny basy. Zanaka kolonely ity vehivavy ity. Ireo olona voarohirohy moa dia samy niaiky ny fahadisoan’izy ireo. Ho hitantsika eo ihany moa izay ho tohin’ity raharaha ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS