Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 19h09
 

Malagasy

Minisiteran’ny Ati-tany

Hita ny fatin’ilay tale very

vendredi 25 janvier 2008 | Nivo T. A. |  483 visites 

Telo volana mahery teo ho eo izao no nikarohana ny fatin’ilay talen’ny « Inspection de l’administration territoriale », ao amin’ny Minisiteran’ny Ati-tany, antsoina hoe Cécilien Aurélien. Nanao izay ho afany ny mpitandro filaminana sy ny fianakaviany tamin’ny fikarohana azy, ary fantatra fa omaly no hita teny Tsaramasoandro Ambohimahitsy ny fatiny. Ry zareo teo anivon’ny polisim-pirenena moa dia tsy nahazoam-baovao firy mikasika ity fahitana ny fatin’ity tale ity. Ny hany azo antoka dia nisy namono izy. Mandeha ny fikarohana ireo heverina ho nahavanon-doza. Tsiahivina fa ny alarobia talohan’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialin’ny vokatry ny fifidianana solombavam-bahoaka no hitan’ny fianakaviany farany ity tale ity. Nisy niantso an-tarobia izy tamin’ny 10 ora alina tany ho any ary niala tao an-tranony ary dia tsy hita popoka intsony. Raha tsy izao vao hita. Ny polisin’ny « brigade criminelle » moa mandray an-tànana ny raharaha.