Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 13h01
 

Malagasy

Alan’ny Mikea

Hazo sarobidy miisa 600 no nisy nitrandraka

vendredi 18 janvier 2008 |  456 visites  | Nivo T. A.

Nahazo vahana ny fitrandrahana hazo sarobidy tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy tato ho ato.

Tsy tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy ihany fa tany amin’ny Atsimon’ny Nosy ihany koa. Tamin’ny herinandro lasa teo dia hazo sarobidy antsoina hoe « vory » no tratran’ny tompon’andraikitra tao amin’ny ANGAP, tany amin’ny tanàna antsoina hoe Andiky, tsy lavitra an’Ankililaoka.

Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia maty ny kamiao nitondra ireto hazo ireto, izay saika hamidy any Toliary, ka nisy nahatsikaritra. Olona nokaramaina avokoa moa no tao anatin’ilay kamiao fa ny tompon’ny entana kosa niandry tany Toliary. Nony nosavain’ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra tao amin’ny ANGAP moa ny antontan-taratasy mikasika ny fitrandrahana ireo hazo sarobidy dia tsy nisy na iray azy fa nentina an-tsokosoko. Tany amin’ny 77 km teo ho eo tsy hahatongavana an’i Toliary moa no nahafaty ilay kamiao. Voalaza fa hazo nalaina tao amin’ny alan’ny Mikea ireo notrandrahana ireo. Hazo izay fantatra fa tsy azo trandrahana intsony satria mitady ho lany tamingana. Notanan’ny ANGAP avy hatrany ireo hazo sarobidy ary mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Araka ny vaovao voaray, dia manamboninahitra iray ao anivon’ny zandarimariam-pirenena no tompon’izany hazo sarobidy izany. Tsy ho ela moa dia hatolotra ny fitsarana ny raharaha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS