Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Malagasy

Fianam-pinoana

Fiangonana Loterana Malagasy aty Frantsa (FLMF)

vendredi 16 novembre 2007

Nitsangana ny Fitandremana Malakoff

Nahazo trano fiangonana vaovao ny Fiangonana Loterana Malagasy aty Frantsa - FLMF/Fitandremana Malakoff. Ny alahady 02 septembra lasa teo no nifindra tao Malakoff (92) 6, impasse André Sabatier, ny fitandremana Ile de France tao Arcueil teo aloha. Tamin’ny fotoam-pivavahana lehibe ary no nanamarihana ny fitokanana ity tranom-piangonana vaovao Fitandremana Malakoff ity.

Ny 06 Septambra 2007 teo no nivorian’ny Biraon’ny Fileovana Ile de France ; Nisy ny fifidianana ka lany ho filohan’ny fileovana ny Pastora Raseta. Marihina fa ny FLMF Malakoff, Nantes ary La Rochelle no eo ambany fiahian’ny fileovana Ile de France.

Fotoan-dehibe mariky ny fifaliana

Tonga marobe tokoa ireo kristiana ao amin’ity trano fiangonana vaovao fitandremana Malakoff ity tamin’ny fotoam-pitokanana azy. Velom-bolo ny mpiara-mivavaka rehetra izay notarihan’ny filoha Ramandrantosoa Zaka nitondra teny fohy ho fisaorana ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka nahitan’ny trano vaovao. Fiderana an’Andriamanitra, fifaliana hoan’ny rehetra tamin’izany fotoan-dehibe izany, ka nampahatsiahivina indray ny Teny Fanevan’ny Fiangonana hoe : « Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona » (Heb. 10 : 25 a).

Tsara ny mampatsiahy fa ny 09 Oktobra 2005 no lasa fitandremana ara-dalàna ny FLMF Ile de France. Ny alahady 16 septambra teo dia tonga namangy ary nitsodrano ny fitandremana ny Prezidan’ny FLMF manontolo any Frantsa, Pastora Dr Habberstad Rakotondrazaka sy ny filoha lefitra Rakotojaona Eugène. « Voa mendrika ny fibebahana no hita eto amin’ny fitandremana Malakoff hoy ny filoha izay nanamafy fa epistily velona ny fitandremana ary ny firariany dia ny hamindra hazavana ho an’ny toeran-kafa. Efa tafatsangana avokoa ary samy amperin’asa ireo sampana rehetra. Miara-mifarimbona tsara ny Pastora Raseta sy ny Komity ary ny mpianakavin’ny Finoana rehetra ho fampandrosoana ny tempolin’Andriamanitra aty ampitan-dranomasina aty.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS