Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 23h37
 

Malagasy

Iavoloha

Fianakaviana 30 roahina

lundi 25 août 2008 | Manou

Misy fandroahana ireo fianakaviana nanorim-ponenana ao anatin’ny faritry ny tanin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ankehitriny. Mifanipaka be ihany anefa ny vaovao, ary miahiahy ny fahamarinan’ny baiko mihitsy aza ireo voakasik’izany ka miantso fijerena manokana avy amin’ny Filoham-pirenena.

Tantara efa ela

Trano 30 tafo ao amin’ny fokontanin’i Morarano, kaominina Andoharanofotsy, aloha no heno fa nahazo baiko an-taratasy hiala, « mandra-pahatongan’ny faha-28 aogositra izao. » « Voafitaka angamba izahay », hoy ny solontenam-pokonolona nandritry ny fihaonanay tamin’ny mpanao gazety, « satria efa nangatahanay io tany io tany aloha ary nasehon’ny Intendant de Palais tao Iavoloha anay tamin’ny taona 2003 tany ho any ny taratasy lazainy fa faneken’ny Filoha Ravalomanana ny hanananay ny tany ka nasainy hiara-hameno taratasy momba izany taminy izahay. » « Tsy tanteraka izany satria maty io manamboninahitra io ka niova ho taratasy fampiomanana ny hialanay teo amin’io tany efa nomaintisina molaly io, nanomboka ny taona 2004 », hoy ireo mponina. Efa nisy fampakarana anay teny amin’ny fitsarana tamin’izany saingy rava nohon’ny tsy fahatongavan-dry zareo mpitory, araka ny fanazavany, ary dia ny fiovan’ny Intendant de Palais indray izao mampihetsika azy izao.

Tsy mazava

« Nampanaovin’ny ben’ny tanànan’Andoharanofotsy fangatahana indray izahay taorian’io ary nampanantenainy fa izy no hampita azy any amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ! Sady tsy nahazo valiny afa-tsy ny fandroahana izahay, hatramin’izao, no tsy avelany ho fantatray ihany koa na lasa marina na tsia ny fangatahanay fa sao, hono, hijerenay làlana ambadika hampigadrana azy », hoy ny fitarainan’ireo ho ravana trano. Takian’ireto olona ireto ary ankehitriny ny marina momba ny taratasy rehetra nandidiana ny fialany amin’ny tany izay avy any amin’ny Fiadidiana ny Repoblika nefa tsy misy laharana akory ary tsy ny tomponandraikitra no nanasonia ny sasany. Ahiahy mipetraka koa ny mety hisian’ny mizana tsindrian’ila, araka ny fanazavana azo. Samy voakasiky ny fandroahana avokoa tany am-piandohana ny teny amin’ny fokontany Iavoloha sy Bongatsara nefa tsy voatohintohina intsony ankehitriny satria toeram-ponenan’ireo manamboninahitra sy mpanankarena maro na dia akaiky kokoa ny Lapa aza raha mitaha amin’i Morarano.

Tsy manda mpitondra

« Miantso ny Filohampirenena hijery ny marina amin’izao raharaha izao » ireto vahoaka ireto ary nanambara fa « tsy handa velively izay fanapahana avy ao an-dapa raha ilain’ny fanjakana marina ny fialany eo satria ambony nohon’ny fianakaviana ny tombontsoam-pirenena », hoy ireo ho ravana trano ao Morarano.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS