Habibiana nahatsiravina no nataon’ity raim-pianakaviana iray tany amin’ny tanànan’Andivo, fokontany Andranovana, kaominina Fanambana, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Novonoiny ho faty ny vadiny ary tamin’ny alalan’ny fomba mamoehatra.
Araka ny vaovao azonay avy any an-toerana dia fanoto no natsofony tany amin’ny fivaviam-badiny, ary noveleziny tamin’ny hazobe ny vatan’ilay vehivavy. Taolana maro tamin’ny vatan’ilay vehivavy moa no tapaka ka anisan’izany ny teo amin’ny sorony, orony, taolan-damosiny. Tamin’ny talata lasa teo no nahitana ny fatin’ilay vehivavy tao an-tranony. Ny hariva talohan’izany moa dia niara-nisotro toaka izy mivady ary niafara tamin’ny fifamaliana izany. Niala mandry tao an-trano mihitsy ilay raim-pianakaviana ary voalaza fa nankany amin’ny vehivavy hafa. Ny maraina ilay rangahy vao mody tonga tao an-trano ary toy ireny tsy nanao na inona na inona ireny kanefa toa hoe ny alina no nanaovany ny habibiana ary avy eo izy vao nankany amin’ny vehivavy hafa. Samy manan-janaka amin’ny olona hafa moa izy mivady ireo ary nifankatia ny zanak’izy ireo. Voarohirohy ho anisan’ny niray tsikombakomba tamin’ity rangahy namono ny vadiny ity ny zanany lahy.
Tsy nanatrika fandevenana moa ilay rangahy fa tsy hita izay tany nanjavonany. Izany fihetsika izany indrindra no vao mainka nampiahiahy ny olona sy ny mpitandro filaminana. Mbola tsy hita moa izay misy ilay raim-pianakaviana noheverina nahavanon-doza.
Efa nametraka fitarainana any amin’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ilay vehivavy maty nisy namono. Mandeha ihany koa ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana.