Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 06h23
 

Tribune libre

KLM - TSIA

Fanasana sy Affichage

jeudi 28 octobre 2010

Tompoko,

Miarahaba antsika rehetra ny Kômity Liam-pivoarana Manohana ny TSIA (KLMT)

Ny Kômity Liam-pivoarana Manohana ny TSIA dia Manasa ny Mpampahalala vaovao rehetra amin’ny FIHAONAM-BE VOALOHANY izay hatao ao amin’ny KIANJA MITAFO BESARETY Ny Sabotsy 30 oktobra 2010 amin’ny 10 ora maraina.

Ny Kômity Liam-pivoarana Manohana ny TSIA dia mankahery ihany koa ny mpikatroka rehetra no sady mandefa aminareo ireo « fichiers attachés » ireo mba hanohizana ny fiaraha-miasa sy ho fandrindrana ny Fampielezan-kevitra !

Manasa antsika hamaky, hizara izany amin’ny namana, hametaka ny « affiche A3 » amin’ny panneau voatokana ho amin’izany isaky ny toerana misy antsika tsirairay avy.

Manasa ny VAHOAKA MALAGASY RAHETRA ihany koa amin’ny FIHAONAM-BE VOALOHANY izay hatao ao amin’ny KIANJA MITAFO BESARETY Ny Sabotsy 30 oktobra amin’ny 10 ora maraina.

Misaotra Tompoko,

Masina ny Tanindrazana

14 commentaires

Vos commentaires

  • 28 octobre 2010 à 07:49 | N.R. (#2958)

    Miarahaba ny KMLT

    Anisan’ny tsy mankasitraka ny lalam-panorenana aroso @ fitsapan-kevimbahoaka @ faha 17 novambra izao ny tenako, ary mankahery anareo @ fampahafantarana ny maha ratsy azy @ ankapobeny :
    1) tsy mifandraika @ maha malagasy
    2) Tsy miaro ny tombontsoan’ny malagasy sy ny tena fahaleovantenany
    3) Tsy ahitàna fiovàna araka ny hetahetam-bahoaka

    Etsy andanin’izany anefa, misedra ny gejan’ireo firenem-baventy, zatra nigalabona sy nanjakazaka teto @ firenentsika, sy ireo vondrom-paritra saribakoliny, ny malagasy ankehitriny, hampiforetana ny malagasy.

    Koa noho izay antony manokana izay, ho an’ny fiandrianam-pirenena, dia hisafidy ny « ENY » vonjimaika aho, ho fampahafantarana izao tontolo izao fa tompon’ny safidiny ny malagasy.

    Tsy ho voavaha anio avokoa ny olana @ izao savoritaka noho ny herin’ny « VOLA » sy ny fanjanahana izao, mila fifampitaizàna sy fandresen-dahatra izany fa dingana iray goavana aloha ny safidin’ny malagasy na dia tsy tsy tonga lafatra aza izany.

    Mamerina fampaherezana tompoko

    • 28 octobre 2010 à 09:31 | da fily (#2745) répond à N.R.

      Miarahaba ny rehetra eto.

      Raha ilaza aho hoe anisan’ny tsy mpankasitraka, dia tsotra ny antony : tsy fanovàna an’io lalampanorenana io akory no ampiova ny tsy mety eto an-tànana.

      Ny mahalasa fisainana, dia toa ny olona mihitsy no tsy miova fanao, ary na dia milaza aza ny namana eo ambany fa tsy azo fitahina intsony ny vahoaka, dia milaza aminareo aho fa diso io fijery io, ny vahoaka, ary izy manontolo dia voafitaka lava. Ary izy ihany no tsy mampiseho tsara fa tsy mitombona mafy tsara ny heviny, kà arirariran’ireo kinga-tsaina sy ireo mpilalao vola.

      Raha mitaraina isika fa tsy mahay mitondra ireo mpanao politika, dia mamaly aho hoe : isika vahoaka @ ankapobeny dia tsy matotra tsara koa ny saintsika. Raha tena liana fivoarana sy fahombiazana isika malagasy, dia tokony eo @ fiaramonina, fahazotoana, fifantokisana...sns no atomboka ny raharaha. Aiza ka na dia fahantràna be tahakin’inona ve dia izao mifamono sy mifandroba tsy misy alahelo izao intsony ?

      Ny manjakazaka sy ny mifampizarazara no tena misongadina ankehitriny, ireo no tena mampalahelo. Aoka isaintsika @ fomba tena lalina izy io, fa tsy ity lalampanorenana sy fitabembahoaka @ fifidianana mandamoaka ity no dradradraina hoe hanome vahaolana !

    • 28 octobre 2010 à 10:32 | N.R. (#2958) répond à da fily

      Marina ny voalazanao, tarazoky ny fanjanahana izany ary tsy mora ny manarina azy. Mila malagasy tsy novolavolain’ny vahiny ary manana fahamatorana sy fahatokisana ny herin’ny mpiraitanindrazana aminy ny firenena.

  • 28 octobre 2010 à 08:31 | stand up (#2470)

    Mino va nareo fa ho marina sy mangarahara io referandaom-poza io no dia mokotra ery nareo @ fanohanana ity TSIA izay inoana fa hivadika ho eny @ fanisana farany !!!!Mba alefaso lavitra ihany tompoko ny fisainana ary aza dia mody tsotra be ohatr’izao fa tsy azo fitahina intsony ange ny vahoaka e !!!N’inona n’inona lazainareo tsy ho marina mihintsy io fifidianana io fa fanadalana vahoaka handeha hifidy io ataonareo io tompoko mba hampitombo ny taux de participation !!!!!Tetiky ny fat ihany io tompoko, fa miala tsiny !!Zonareo moa zany sady vola be ihany koa koa mazoto e !Ny aina no mahateza hahita ny farany eto isika .Na izany aza mba mieritrereta ihany ,Tompoko !Misaotra e dia mazoto fa fanararaotana zao fotoana izao.

    • 28 octobre 2010 à 10:27 | N.R. (#2958) répond à stand up

      Ny fifidianana nisy teto @ firenena hatramin’izay, samy tsy misy mangarahara avokoa, indrindra hatramin’ny 2002 no mankaty

    • 28 octobre 2010 à 11:40 | kakilay (#2022) répond à N.R.

      Pourquoi faire mieux si on peut faire pire...

      Et vous voulez convaincre... qui ?

    • 28 octobre 2010 à 11:54 | N.R. (#2958) répond à kakilay

      Aoka tsy hanofy isika, tsy mora ny manarina ny fomba sy fanao nitaizan’ny mpanjanaka, namela takaitra mandrak’ankehitriny. Ny fifampitaizain’ny samy malagasy no zava-dehibe, ary ny fitsabahan’ny vahiny @ raharaha tokatranon’ny malagasy (satria misy tombotsoany ao) no mampirisika ny malagasy hifanohana.

      Tsy miandry anao ny raharaha ry Kakilay o

    • 28 octobre 2010 à 12:17 | kakilay (#2022) répond à N.R.

      Si vous êtes incapable de tourner en positif l’héritage du passé... : demandez-vous si votre vie vaut la peine d’être vécue...

      Et pour votre gouverne : tout le monde ne fonctionne pas à la fierté ou à l’orgueil... surtout quand on vous demande de chanter, les pieds dans la bouse de vache...

      Mais si vous n’avez que cela à nous offrir... any ambadibadika any indray mba mitady...

      ANY ANGAMBA MISY...

    • 28 octobre 2010 à 14:52 | N.R. (#2958) répond à kakilay

      l’héritage colonial qui vous rend si fière semble vous ravir. Le constat est malheureuesement néfaste pour la patrie. Ce sont les minorités comme vous qui conduisent le pays à la ruine.
      En ce qui concerne la bouse de vache, sachez qu’elle est indispensable pour que vous puissiez vous nourrir. Décomplexez vous, et remettez les pieds sur terre(qui est aussi composée de bouse)

    • 28 octobre 2010 à 15:01 | fifi (#1381) répond à stand up

      Voalaza ao anatin’io soratsoratra hanadalana olona io dia hoe « tsy azo enjehina na toriana ny députés na dia manao ratsy aza ». izay izany ilay hoe tsy maty manota ?????
      Patrick Rajoelina, frantsay tsy tia malagasy no nanao io satria tiany hahantra isika dia mora ny ressources naturelles.

    • 28 octobre 2010 à 15:11 | kakilay (#2022) répond à N.R.

      L’héritage colonial ne demande pas votre avis : il est. Qu’est-ce que vous allez en faire ?

      Pas du genre de certains à jeremiader à tout bout de champ : always victim.

      Vous avez choisi d’être un victime et vous le serez. Appelez maintenant la chorale pour chanter avec vous.

      La minorité est au pouvoir, avec vous à leur solde. Vous avez le pouvoir : qu’est-ce que vous en faites ? Une grande braderie de Soalala à Tana. Comme si la politique se résumait à vendre.

      Et pour finir : combien même la révolution orange est une culture, une manière d’être et de réagir dans le monde : vous nous appelez maintenant à nous complaire dans la bouse où vous avez enfoncé la nation. Et vous appelez la démarche : se décomplexer.

      Et l’on ne peut même pas se permettre de vous dire : bonne continuation...

      par pitié !

    • 29 octobre 2010 à 09:57 | Basile RAMAHEFARISOA (#417) répond à fifi

      fifi

      Monsieur Patrick RAJOELINA est un expert « international »,seulement il est d’origine malgache et de nationalité française.

      Pour VOUS,il ne vaut rien par rapport à ces africains ou mauriciens que vous essayez de vénérer pour s’occuper de « NOTRE » problème.

      De plus,vous osez dire qu’il,Patrick RAJOELINA ,n’aime pas les « Malgaches ».

      Un peu de fierté,fifi.

      « NOUS NE SOMMES PAS DES AFRICAINS ou MAURICIENS »,mais peut être de nationalité française ou autre !!!

      Basile RAMAHEFARISOA

      b.ramahefarisoa@gmail.com

  • 28 octobre 2010 à 20:26 | RAVELO (#802)

    Manao ahoana daholo,

    Fanontaniana voalohany : iza no mpiandraikitra an’io komity io ? sa ny vahoaka ohatry ny mahazatra ?

    Izaho manokana aloha dia tsy mahatoky an’io komity io ( cela n’engagage que moi !!!)
    Ny zavatra kendreny dia ny hisian’ny mpanohitra (ny tsia izany ) amin’izay dia ohatry ny hoe misy valerany ilay fifidianana ;afa-baraka be loatra mantsy raha toa ka tsy misy afa tsy « eny » na « nuls » no resultat.

    Sady lany nozaraina tamin’ny sarintsari-na parlement sy hanaovana sarintsari-na fifidianana ny volan-dra-Malagasy.’(any dada angaha, sa any neny io vola io hoy ny mpanongam-panjakana isany izay)

  • 29 octobre 2010 à 18:18 | che taranaka (#99)

    Miarahaba ny rehetra,

    Raha tsy diso aho dia ny otrik’afo no mpanentana ity komity ny TSIA ity.

    Ny tsy fantatro dia tsy hitako marina izay lalana tondroin’Atoa Rajonah Andrianjaka.

    Toa ataon’i TGV faire valoir fotsiny sa manao opposition constitutionelle tahaka ny Akfm tamin’ny andron’ny Pisodia ?

    Izaho manokana dia manainga ny mpiray tanindrazana hanao BOYOCOTT mba tsy hilazan’ny putschistes fa misy ny démocratie izay fomba akolaka ahafahan’ny milaza fa misy légitimité sy légalité ity illégimité goavana iainan’ny malagasy ity ..efa ho roa taona izao !

    ATAOVY ANKIVY NY REFERENDUM NY 17 NOV 2010

    AOKA NY FOZA HIFAMPIFANISA AO AMIN’NY VOVONY

    IZANY NO AHAFAHANTSIKA MANEHO NY FAHAFAHANA SY NY FIANDRIANAM-BAHOAKA MALAGASY(LIBERTE et SOUVERAINETE DU PEUPLE MALAGASY)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS