Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h18
 

Malagasy

Ministra Ramiaramanana

Fanadiovana fa tsy sazy

mercredi 21 novembre 2007 | Naivo kely

Midina ifotony mijery ny zava-misy eo anivon’ny ministera tantaniny ny ministry ny fanatanjahantena, kolontsaina ary ny fialamboly Patrick Ramiaramanana, ka ny mpiasa teo anivon’ny TAFITA no nitafa taminy omaly. Tsy misy resa-be fa ny asa tonga dia vavany no tsy maintsy atao, ary mila mazava tsara ny fomba fitantanana, ary mila fifampifehezana hentitra fa tsy baranahiny. Hita nandritra io fa tsy voatsinjara araka ny tokony ho izy ny fanampiana ireo federasiona spaortiva, ary tokony omena sehetra ihany koa ny « section » amin’ny fotoana maha mety azy. Apetraka fiara-miasa eo amin’ny mpitantana sy ny tantanina ary mila madio mandrakariva ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena satria sarobidy io lapa io. Raha ny momba ny mpiasa dia hita fa be loatra ireo mpiasa ka mila jerena ny rafi-pifehezana (organigramme). Nandritra io fihaonana omaly io no nanambaran’ny ministra fa hanara-maso akaiky ity TAFITA ity ny ministra satria mila vokatra tsara ny mpanao fanatanjahantena Malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS