Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 10h33
 

Malagasy

Lalao Olimpika

Fahavoazana sy ady ranondranony

lundi 25 août 2008 | Manou

Tapitra ihany ity ny Lalao Olimpika 2008 tany Beijing. HItohy amina fandraisana am-pifaliana ny atleta nisolo tena azy tany ny lanonana ho an’ireo firenena maro nandray anjara na inona vokatra azo na inona, satria tsy ny fandresena loatra no toe-panahy tian-kavoitra amin’ity fifaninanana ity fa ny fandraisana anjara.

Ho raharaha ihany anefa ny antsika malagasy rehefa ho samy tafahaona eto an-tanindrazana ireo mpitarika tany satria samy tsy misy te-ho tompon’antoka hiaiky ny vokatry ny tomban’ezaka sy ny tsy ho vita mihitsy ka mifandrombaka mifanilika dieny izao.

Tsy te-ho tompon’andraikitra

Tsy mbola nanana vokatra ratsy nihoatry ny tamin’ity i Madagasikara hatramin’izay nandraisany anjara tamin’ny Lalao Olimpika nifanesy, hoy ireo zokinjokiny teo amin’ny sehatra ara-panatanjahantena, na tamin’ny isan’ny mpifaninana na tamin’ny zavabita tany, nefa tsy antony tokony hifanomezan-tsiny izany, hoy izy ireo, satria tsy voatery ho avy amin’ny mpikarakara na ny atleta fa miankina amina lafin-javatra maro ara-toekarena sy fiaraha-monina ary indrindra ny fivoarana eran-tany.

MIfandramatra nohon’ny fialana andraikitra amin’ny vokatra azon’ny malagasy tany Beijing sahady anefa ny mpitantana amin’izao fotoana izao. Asa na matahotra an’iza na nanome toky an’iza, fa raha ny valalabemandry aloha, efa zatra ka izay vita eo, iononany araky ny filozofia « mason-tsokina, masom-boalavo » nahazatra hatramin’izay...

Ahiana hihanaka ihany anefa io adin’ny samy ngeza io raha ny fanombanana ny fitrangany satria efa vaky ihany koa ny fifamelezana an-karihary eny anivon’ny samy mpanao gazety ka nandrava ny firaisankina niarahana hatramin’izay ary atahorana hihamafy any amin’ny fotoana ifanatrehan’ireo ankolafy izay lasa samy manana ny mpiaro azy.

Nampiova zavatra betsaka teto amin’ny firenena tokoa iny Lalao Olimpika nokarakarain’ny Sinoa iny ary nahatsapana ny fahalovan’ny fanatanjahantena malagasy ka irariana ny hahatanterahan’ireny vinavina nambaran’ny ministra tompon’andraikitra ireny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS