Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 11h15
 

Tribune libre

FANAMBARANA

jeudi 21 janvier 2010 |  1215 visites  | 1 commentaire 

Eo anatrehan’ny zavamisy ankehitriny, izay ahitana ny tsy nampahomby ny fanantanterahana ny fifanarahana vita tany Maputo sy Addis Abeba, ny RARE dia mihevitra fa :

Tsy misy afa-tsy amin’ny alàlan’ny fifanakalozan-kevitra madio sy ny fitadiavana ny marimaritra iraisana ihany no hahitantsika vaha-olana amin’izao krizy misy eto amin’ny Firenena izao. Koa manainga antsika Malagasy hifampiresaka sy hifandefitra, fa raha tsy izay dia hahazo vahana ny fifankahalana sy ny fifanenjehana izay mety hitondra antsika any amin’ny fifandonana. Izany fifanankalozan-kevitra eo amin’ny samy Malagasy izany dia handraisan’ny hery velona rehetra eto amin’ny Firenena anjara fa tsy ho apetraka amin’ireo ankolafiny politika efatra izay namolavola ny fifanarahana tany Maputo fotsiny akory.

Ho fanantanterahana izany fifampiresahana sy fifanankalozan-kevitra izany dia tokony hijoro haingana ny solontenan’ny Ray amandReny na ny Olobe to-teny vitsivitsy avy amin’ny Faritra rehetra misy eto amin’ny Firenena handinika ireto zavatra manaraka ireto :
 ny antony tsy nampahomby ny fanantaterahana ny satan’ny Tetezamita,
 handroso tolon-kevitra toy ny sata vaovao sy ny lalan-kizoran’ny Tetezamita homeny an’izay solontenan’ny Hery Velona misy eto amin’ny Firenena mba ho dinihina.

Ny fanaovana fifidiana alohan’ny hisian’ny marimaritra iraisana dia tsy mahavaha ny olana misy.

Ny nanekentsika ny nampijoroana ny Tetezamita rahateo moa dia ny mba afahafan’ny Malagasy rehetra hamolavola Lalampanorenena vaovao eken’ny maroanisa sy hametrahana ny fitsipi-dalao mazava hisian’ny fifidianana madio tsy hampisy olana sy korotana intsony eto amin’ny Firenena.

Ny RARE dia vonona handray andraikitra hampifanatona ny hery rehetra ahitana ny marimaritra iraisana amin’ny samy Malagasy ivoahana haingana amuin’ny olana ara-politika misy ankehitriny.

Ny Mpandrindra ny RARE
VELOMPANAHY Aristide

1 commentaire

Vos commentaires

  • 21 janvier 2010 à 13:15 | vodkasola (#3707)

     HATAOKO MILLIARDAIRE DAHOLO NY MALAGASY REHETRA
     HATAOKO MAHAZO FIARA 4L DAHOLO NY MALAGASY REHETRA
     HATAOKO TAFAVOAKA NY TUNNEL ISIKA TSY HO ELA
     HATAOKO HENO MANERANA NY NOSY NY RADIO REHETRA IZAY MISY ETO MADAGASIKARA
     HATAOKO MAHAZO ASA DAHOLO NY TSY AN’ASA
     HATAOKO MITOVY DAHOLO NY MALAGASY REHETRA NA NY MANAMBOLA DIA ATAOKO MITOVY AMIN’NY MAHANTRA ARY NY MAHANTRA ATAOKO MITOVY AMIN’NY MANAMBOLA
     HATAOKO MAIMAIMPOANA NY FIANARANA
     HATAOKO MAIMAIMPOANA NY FITSABOANA
     HATAOKO MAIMAIMPOANA NY FITATERANA
     HATAOKO PARADISA SOSIALISTA I MADAGASIKARA
     HATAOKO PARADISA KAPITALISTA I MADAGASIKARA
     HATAOKO MANGARAHARA DAHOLO NY FITANTANANA ARA-BOLA ETO MADAGASIKARA KA NY KAONTINAO ANY AMIN’NY BANKY DIA TOKONY HO FANTATRIN’NY MALAGASY REHETRA
    ENY SA TSIA ? FIDIO AHO RY MALAGASY- VELOMA

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}