Kodiarana vaovao fanolo amin’ny fiara vaventy fanaboaran-dalana miisa 15 marika « Pirelli » miampy vy (fer rond) miisa 100 no zavatra very tao amin’ny toerana fitobian’entana an’ny orinasa Elter izay manamboatra ny làlam-pirenena faha-12 izay mampitohy an’Alakamisy-Ambohimaha sy Vohipeno. Araka ny vaovao azonay tany an-toerana dia mitentina Ar. 90 tapitrisa any ho any ireo fitaovana very ireo.
Tamin’ny tapaky ny volana janoary tany ho any no nitrangan’ny halatra. Nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana ny tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa ka nandeha ny fikarohana. Tamin’ny 5 febroary lasa teo no tratry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Manakara ireo entana halatra. Ny kodiarana vaovao dia tao an-tranon’olona tao Marofarihy no hita. Ireo tariby vaventy fanaovana « béton » kosa dia nisy nanafina tao ambany fasika, tany Ambokala, ao anatin’ny kaominina Manakara no sarona. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy no nahatratrarana ireo olona miisa fito, ka mpiasa mpanamboatra làlana tao amin’ny orinasa Elter ihany no voarohirohy ho ati-doha nikotrika izao halatra izao. Efa naiditra am-ponja avokoa moa ireo olona fito ireo. Talohan’izao dia fantatra fa efa nisy olona roa voafonja noho ny halatra gazoala sy fitaovana fanamboaran-dàlana tao amin’ity orinasa ity ihany.
Amin’izao fotoana izao moa dia misedra olana ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity satria tsy nandray karama tato anatin’ny volana vitsivitsy. Tsy diso ny fiheverana fa noho izany fahasahiranan’ny mpiasa no nahatonga azy ireo hanita-kevitra hangalatra toy izao.
Efa nisy moa ny fitarainana nataon’ireo mpiasa tany amin’ny tompon’andraikitra ambony saingy mbola tsy misy aloha ny vaha-olana hatramin’izao.