Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 21h54
 

Malagasy

Zandary voatifitra tany Toliary

Enim-bolana sazy mihantona no azon’ilay voarohirohy

lundi 4 février 2008 |  532 visites  | Nivo T. A.

Niakatra fitsarana tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo ilay raharaha fitifirana zandary tany amin’ny fokontany Ambolofoty, kaominina Betsinjaka-Toliara, ny alin’ny 26 desambra lasa teo.

Miaramila iray sy sivily telo moa no voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Izy ireo no tao anaty fiara P.405 izay nandeha alina ka nosakanan’ny « Jado » (vatan-dehilahy miambina tanàna amin’ny alina).

Mamo moa ilay sivily nitondra fiara tamin’izay fotoana izay. Izy no nitifitra ilay zandary anisan’ireo niambina niaraka tamin’ny fokonolona. Voa mafy tokoa ilay zandary ary mbola tsy afaka manohy ny asany amin’izao fotoana izao. Fiara-na manamboninahitra iray any Toliara no nentin’ireo olona ireo. Tsy nanaiky ny fandaminana nataon’ny « jado » moa ireo olona tao anatiny ka izany no nitarika tamin’izao herisetra nandratra zandary izao. Nandritra ny fitsarana moa dia voasokajy ao anatin’ny vono sy ratra tsy niniana natao ny heloka fa tsy heloka bevava. Ilay sivily nitifitra ilay zandary dia nahazo sazy mihantona enim-bolana, ilay miaramila sy ireo vehivavy roa tao anatin’ny fiara kosa dia natao vavolombelona tao anatin’ny raharaha. Mbola nampiakatra fitsarana ambony moa ny mpitory satria tsy nahafa-po azy ireo ny didim-pitsarana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS