Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 19h09
 

Malagasy

Famonoana ilay talen’ny minisiteran’ny Ati-tany

Efa nisy ireo olona voasambotra

samedi 26 janvier 2008 | Nivo T. A. |  745 visites 

Araka ny efa nambara tamintsika teto omaly, dia hita teny Tsaramasoandro, ao anatin’ny fokontany Ambohimahitsy no nahitana ny fatin’Atoa Cécilien Aurélien, talen’ny Fisafoana ny ati-tany teo anivon’ny minisiteran’ny Ati-tany, izay tsy hita nanomboka ny 10 oktobra 2007.

Tao ambany fototry ny trano vao naorina moa no nanafenan’ireo olon-dratsy ny fatin’ity tale ity.

Araka ny vaovao azonay, dia notapahana ny vatan’ilay lehilahy ary nataon’ireo namono azy izay nahatafiditra ny fatiny tao anaty kitapo. Nilaza moa ny dokotera fa efa tany amin’ny telo volana lasa tany no nafafatesan’ity lehilahy ity. Izany hoe mety tamin’ny fotoana nialàny tao an-trano, ny 10 oktobra 2007 dia efa nisy namono ity tale ity.

Ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy moa no manao ny fanadihadiana mikasika ity vono olona nahatsiravina ity. Amin’izao fotoana izao dia efa nisy ny voasambotra ary mbola mitohy ny fikarohana hahafantarana izay tena marina amin’ity raharaha ity.