Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 09h52
 

Agenda

Amboarampeo Washington DC

Antsampanahy Krismasy Asabotsy 14 Desambra 2013

lundi 9 décembre 2013

Ny Amboarampeo Washington DC dia manomana Antsampanahy lehibe ho fankazalana ny Krimasy ny Asabotsy 14 Desambra 2013 manomboka amin’ny 3 ora hariva ao amin’ny Wesley Theological Seminary, Washington DC izay hanasany ny Malagasy rehetra ao Washington DC sy ny manodidina sy ireo Malagasy any Amerika avaratra.

Karazana gadona maro samihafa no hohiran-dry zareo amin’izany toy ny hira Classique izay ahitana ny hiran’ieo mpamoronkira malaza toa an-dry Antonio Vivaldi, Mozart, Handel, John Rutter ; ary koa ny Ban-kira Malagasy ary ireo hira Krismasy izay notsongain-dry zareo manokana.

Ao aorian’ny Antsampanahy dia hisy Gala Evangelique sy fivarotana sakafo ary fiaraha-misakafo.

Ny Amboarampeo Washington DC dia Antoko Mpihira Malagasy ao anatin’ny Fiangonana Malagasy ao Washington DC (Etazonia). Ahitana mpikambana miisa eo amin’ny 35 eo. Ny Fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira no tena ifotoran’ny Amboarampeo.

Portfolio

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS