Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h30
 

Malagasy

Lozam-pifamoivoizana nahatsiravina

39 no maty, maherin’ny 40 no naratra

mercredi 26 décembre 2007 | Nivo T. A.

Olona 39 no indray namoy ny ainy, maherin’ny 40 no naratra mafy : izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nitranga tamin’ny làlam-pirenena faha-13 sy faha-2 tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny loza voalohany dia niseho tany amin’ny RN13, teo amin’ny tetezam-bato atao hoe Ankarandoha, 12 km miala an’i Betroka, ny alin’ny zoma tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any.

Araka ny vaovao azonay, dia fiara taxi-brousse TATA, mitondra ny laharana 1925 TS no niharan-doza, nivadika teo amin’ilay tetezam-bato izay feno rano. Olona 40 no tao anatin’ny fiara ka ny 30 tamin’ireo no namoy ny ainy ary ny 10 avotra soa aman-tsara. Ny 28 moa no maty teo noho eo fa ny 2 kosa dia tany amin’ny hopitaly. Niala tany Bekitro ity taxi-brousse ity ny zoma maraina, tonga tany Bekily tamin’ny 11 ora sy sasany maraina, ary nihazo an’i Betroka tamin’ny 8 ora alina tany ho any, ary dia izao niharan-doza tamin’ny 9 ora sy sasany alina izao.

Saika hiakatra ho aty Antananarivo moa ireo mpandeha izao sendra ny patsa iray tsy omby vava izao. Efa nampiakarina aty an-drenivohitra moa ny razana. Nisy iraka manokan’ny governemanta nankany an-toerana nijery akaiky ny zava-nisy, nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana sy ireo naratra.

Fa ankoatr’izay dia nisy loza nahafatesana olona ihany koa tamin’ny làlam-pirenena faharoa, ny alahady maraina teo, tamin’ny 3 ora sy fahefany teo ho eo. Fiara « Boeing » mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo no nivadika in’efatra rehefa avy namakivaky bozaka niala ny fiholanan-dàlana. Voalaza fa sondrian-tory ny mpamily ka tsy voafehiny intsony ny familiana. Vokany : olona sivy no maty, 38 naratra mafy ary 14 hafa naratra antonony.
Tonga tany an-toerana ora vitsy taorian’ny nitrangan’ny loza ny iraka manokana avy amin’ny fitondram-panjakana izay notarihan’ny Praiminisitra Rabemananjara, nampionona ireo fianakavian’ny maty ary nampahery ireo naratra vokatry ny loza. Nandray anjara tamin’ny fikarakarana ny razana sy ireo naratra moa ny fanjakana. Nanoloana izany loza nahatsiravina izany dia nampitandrina ny mpampiasa lalàna rehetra ny Praiminisitra mba hanaja ny hafa sy ny lalana mifehy ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS