Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 07h37
 

Répondre à un commentaire

14 avril 2018 à 21:35 | lysnorine (#9752)

@ RAMBO 14 avril à 10:09
« [...] “Qui était Botovasoa ?” »...Ce n’était pas les MDRM... qui ont tué Botovasoa mais les mpanompy sampy, c’est à dire les traditionalistes ( mpandala ny netin-drazana) qui ne voyaient pas de bon oeil le christianisme ... »
Betsaka ny tantara manjavozavo na tsy ambara tanteraka na hamaizinina manodidina ny antony namonoana an’i Tpkl. Botovasoa tao Vohipeno ny 17 Aprily 1947. Teo imason’ny Eglizy Katôlika izay niandany tamin’ny PADESM sy ny PADESM tamin’izany fotoana izany ary ankehitriny amin’ny zaza navelany sy navelan’ ny mpanjanan-tany Frantsay dia hoe MDRM tao Ambohimananarivo-Vohipeno, noho ny antony pôlitika tsy mazava loatra, no nampamono an’Itpkl. Botovasoa. Zaodahin’ny anabaviny – Tpkl. Tsimihono – izy io, sady filoham-poko tao Vohipeno-Ambohimananarivo na « ampanjaka » angaha. Tsara ho tsahivina eto ny teny midina avy amin’i Galliéni momba ny fisivanan’ny mpanao fanjakana kôlônialy ny « ampanjaka » izay tsy maintsy ho olona mpomba azy ka sitrany sy teliny. [zahao : lysnorine 6 janvier (2017) à 09:08, 09:23 ao amin’ny « Les “Ampanjaka” du Sud-Est recommandent la candidature de Hery Rajaonarimampianina », http://www.madagascar-tribune.com/Les-Ampanjaka-du-Sud-Est,22781.html#comment329729]. Koa niavaka ihany izany ity « ampanjaka » ity raha toa ka MDRM. 
Itpkl Botovasoa moa dia direkteran’ny sekoly katôlika tao Ambohimananarivo- Vohipeno, teo ambany fiahian’ny mompera GARRIC. Fiaviany sady nisy ny fonenany.rahateo io faritanàna io. Nirotsaka ho PADESM izy noho ny faneren’ny mompera Garric azy. Hoy i Mgr Benjamin Ramaroson momba izany :
« Fin 1946, un des beaux-frères de Lucien, Joseph Manjakafeno, dit Mbododo [vadin’ny anabaviny], devient l’un des acteurs [?] du mouvement indépendantiste [ MDRM ? ] sous la responsabilité de son frère aîné, Tsimihono : or Tsimihono est aussi le « roi » ou chef clanique qui règne sur le bourg d’Ambohimanarivo. À ce titre il a droit de vie ou de mort, et nul ne peut s’opposer à ses décisions [Tsy azo inoana mihitsy ho neken’ny fanjakana kôlônialy izany, dia ny administratera Dumont chef de district-n’i Vohipeno]...
« Lucien, devenu directeur de l’école,..est le bras droit du curé, lequel a partie liée avec les colons et l’administration coloniale. L’administrateur Dumont et le curé Garric favorisent ouvertement le parti anti-indépendantiste [PADESM]. Lucien interdit à ses frères d’entrer en politique [...].Pourtant Garric ORDONNE à Lucien de rejoindre le parti pro-français sous peine de le renvoyer de son poste d’instituteur ; Lucien OBTEMPÈRE, mais refuse de participer aux réunions ; quand on veut le présenter pour les élections provinciales, il refuse obstinément et se fait insulter et chasser publiquement par l’administrateur ; Garric ne le protège pas ; Lucien est mis POURTANT [!!] sur la liste noire des ennemis du peuple par les indépendantistes [MDRM ?] ».
[LUCIEN BOTOVASOA, PERE DE FAMILLE, INSTITUTEUR ET BIENHEUREUX ? Par Mgr Benjamin Ramaroson, http://www.spiritains.org/qui/justice/regards/sept2012/14neglise.htm].
Ny rainy anefa nanana ny hoe karatra maha-MDRM azy araka ny tatitra nataon’ny mompera
François NOIRET hita ao amin’ny : « Louis DEGUISE : Le Maître Lucien BOTOVASOA (1908 - 1947) », http://www.dioceseantsiranana-oloraiky.com/1/upload/lbotovasoa.pdf, p.26.
Tsy tokony ho natahorany izany ireo tondroina hoe « indépendantistes » ireo...raha tena MDRM tokoa izy ireo !
« Le dimanche des Rameaux 30 mars 1947, après la messe, la nouvelle que l’Insurrection a éclaté à Manakara (à 40km) sème la panique dans Vohipeno. Les gens fuient dans la forêt ; le PÈRE de Lucien, QUI A LA CARTE DU PARTI INDÉPENDANTISTE (MDRM ?), ordonne à son fils de les rejoindre sur une petite concession [“au nord de la ville, à peu près à 4 km”], qu’ils ont dans un coin de forêt profonde ; Lucien obéit, à contrecœur. »
Tsahivina fa nisy fifidianana ny ho « conseillers provinciaux » voalohany indrindra avy amin’ny provinces niisa dimy tamin’ny 12 sy 19 Janoary 1947, ka 67 no MDRM lany ary 25 kosa ny PADESM. Lasa ny MDRM daholo ny toerana 18 avy tao amin’ny provinces n’i Tananarive sy Tamatave. Tao amin’ny province-n’i Fianarantsoa izay misy an’i Vohipeno dia nahazo toerana folo (10) ny MDRM ary valo (8) ny an’ny PADESM. 
Ireto misy andalan-tsoratra azo hitarafana tsara ny rivotra pôlitika niainan’ny tao Vohipeno talohan’ny 29 Martsa 1947 mba handanjalanjana ny toe-java-nisy nanodidina ny namonoana an’Itpkl. Botovasoa :
1°Avy amin-dRaharinosy Émilien, mpiasan’ny paositra tao Vohipeno, araka ny tatitra ao amin’ny
Tronchon Jacques, L’insurrection malgache de 1947, Karthala, Paris, 1986, p.102, note 37 : Mémoire manuscrit (daté de1950) de Émilien Raharinosy sur les « événements de 1947 » ; il était alors postier à Vohipeno
« un matin, les membres du PA.DES.M. défilèrent ivre morts dans les rues de Vohipeno, en vociférant : “Qui possède la terre ? Les Padesm !” – “Qui détient les armes ? Les Padesm !” – “Vive le PA.DES.M. ! A bas le M.D.R.M. ! Nous allons tuer Ravoahangy, Raseta, Rabemananjara ! Nous allons écraser tous les M.D.R.M. ! Vive Marius Moutet ! Vive Ramadier ! Ces Ambaniandro, ces hommes aux cheveux lisses sont nos ennemis ! Ils veulent faire de nous leurs esclaves ! Nous allons les exterminer jusqu’au dernier !” »
Vavolombelon’ny mpitsara mpiampanga ny MDRM teny amin’ny fitsarana tamin’ny 1948 (Jolay-Ôktôbra) io Raharinosy io ka voatery niaiky – noho ny famonoana sy fandrahonana natao taminy tany amin’ny Sûreté générale- fa baiko miafina tokoa fanapoahana ny fikomiana ny telegrama fampitandremana sy tsi-famaliana ny fihantsiana amin’ny endrika rehetra voarainy tany Vohipeno, ka nalefan’ny depiote MDRM sy ny birao pôlitika tamin’ny 27 Martsa 1947.

[Hotohizana]

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS