Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 17h09
 

Répondre à un commentaire

10 avril 2017 à 19:49 | lysnorine (#9752)

Efa natranganay vao haingana teto ihany ny fanontaniana lehibe tokony hatao mikasika ity tetik’asa ity :

[ # 6 avril à 09:41 | lysnorine (#9752) répond à lysnorine ^
@ 5 avril à 12:53 | kartell –BIANCO- POURQUOI ? AUJOURD’HUI ?, et POURQUOI CLAUDINE ? ; http://www.madagascar-tribune.com/Claudine-Razaimamonjy-impliquee,22949.html#comment336530 ; Affaire Claudine Razaimamonjy]

« Farany, nisy fifanarahan’ny orinasa BUSHVELD MINERALS renin’ny orinasa LEMUR RESOURCES ltd., tompon’ny fanomezan-dalana hikarohana sy hitrandrahana ARINTANY ao IMALOTO [http://www.proactiveinvestors.com.au/companies/news/18934/lemur-resources-focused-on-thermal-coal-in-madagascar-first-trades-below-ipo-price-18934.html], etsy an-daniny, sy ny orinasam-panjakana Sinoa SINOHYDRO, etsy an-kilany, hananganana ozinina mpamokatra elektrisite fahanana arintany.

« Aiza ho aiza marina moa no toerana misy ny JIRAMA sy Madagasikara amin’itony raharaha itony sy inona avy no mba ANJARANTSIKA MALAGASY ?

“Bushveld’s Lemur, Sinohydro to build coal-fired power plant in Madagascar”
http://www.miningweekly.com/article/bushvelds-lemur-sinohydro-to-build-coal-fired-power-plant-in-madagascar-2017-04-05/rep_id:3650]

“Bushveld Minerals Limited MoU signed between Lemur and Sinohydro on Imaloto IPP”
https://www.directorstalkinterviews.com/bushveld-minerals-limited-mou-signed-lemur-sinohydro-imaloto-ipp/412726711

Ireo fanontanina ireo, ny marina, dia fanontaniana mikasika ny raharaha REHETRA tahaka azy : tsy tambo isaina intsony ny fahazoan’ny orinasa vahiny ny harena ankibon’ny tany eran’i Madagasikara, indrindra indrindra hatramin’ny nanaovan’ny OMNIS sy ny jeneraly ANDRIANAFIDISOA Taleny fahizay, fifampiraharahana tamin’i Samuel Malin, « géologue » kanadianana « coopérant » niasa tao amin’ny OMNIS dia nanorina ny « Madagascar Oil » avy eo, sy Timothy Robert Nelson, mpitantana ny orinasa tatsy Môrisy hoe Vuna Group, tamin’ny 29 Aprily 2004 : 58,455 km², izany hoe MIHOATRA NY AMPAHA-TELON’ny faritra an-tanety (on shore) METY hahitana solitany eto Madagasikara (170,000 km²), no nanomezan-dalana ny MO hikaroka solitany mandritra ny valo taona sy hihady azy mandritra ny 25 taona raha tany ka voamarina fa tena misimisy ny azo loharana. Atao « passe-passe » hahazoana vola be moa izany zo aman-dalana izany.

Tsy nitsahatra hatramin’izany fotoana izany ny famaboan’ny orinasa vahiny ny harena an-kibon’ny tanin’i Madagasikara, kanefa MIHA-MANDROSO TSY TAPAKA NY FAHANTRAN’NY VAHOAKA MALAGASY.
Koa tokony hanao BILAN’izany rehetra izany ihany aloha Ingahy Ying Vah Zafilahy, Ministre auprès de la Présidence chargé des Mines et du Pétrole, fa tsy mihazakazaka manova ny lalàna, mba vao mainka hampalalaka sy hahamora bebebe kokoa ny hidiran’ny orinasa vahiny hamabo ny haren’i Madagasikara. Mila hampafantariny ny vahoaka malagasy (Andriamanjaka Tsitoha amin’izany hoe demôkrasia izany !) ny tena vokatr’izany pôlitika izany taminy sy Madagasikara tanindrazany hatramin’izay ka hatramin’izao.

Ny tsy azo odian-tsy hita aloha dia ny fitambezonana lava « fanampiana » any ivelany izay vavolombelona mampiharihary ny tsy nampahomby ilay pôlitika naraharana hatramin’izay ka tokony HAMPIRIMINA na HADABOKA aloha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS