Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 13 juin 2026
Antananarivo | 17h50
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Ho avy ny vahiny

    Be ny mangataka fampihavanam-pirenena

    lundi 27 octobre 2008 | Penjy R. |  917 visites
    Miala any indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Fampihavanana izay heverin’ireo mitaky izany hatao, mba ahamendrika antsika eo anoloan’ireo firenea maro ho avy eto Madagasikara manomboka ny taona ho avy iny. Atambaro ho iray ny firaisan-tsaina ho taratr’izao tontolo izao, ny halehiben’ny soatoavina malagasy. Malagasy miray hina, mandresy ny sarotra, ary fanoitran’ny ho avy. Io no voarakitra ao anatin’ny taratasy izay haparitaka eny anivon’ny vahoaka, ary hanangonana sonia manomboka ny (…)
  • Fanampiana ara-bola ny mpitatitra

    Mety tsy hanome intsony ny fanjakana

    samedi 25 octobre 2008 | Penjy R. |  706 visites
    Manaraka ny fitsokan'ny rivotra eran-tany ny vahoaka Malagasy. Nidina hatrany amin'ny 70 dolara ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ary dia maro no faly manoloana izany. Isan'io isika eto Madagasikara, satria efa nananika ny 140 dolara io teo aloha. Io vidiny farany io no nahatonga ny mpitatitra manerana ny nosy hampiakatra ny saran-dàlany hatrany amin'ny 80% ho an'ny mpitatitra sasany. Izay tsy nampiakatra ny saran-dàlany kosa, dia nampanantenain'ny fanjakana fa omena (…)
  • Mpiasa 4000 saika hanafika asa eto

    Nahazo aina ny malagasy maro

    vendredi 24 octobre 2008 | Penjy R. |  1071 visites
    Tsy tafita eto Madagasikara ny tetiky ny mpitrandraka harena ankibon'ny tany avy any ivelany, izay saika hampiditra mpiasa vahiny eto. Noho ilay olana ara-bola no anton'io, ka naleon'izy ireo mampiasa ny malagasy eto amintsika. Nisento tokana ny ankamaroan'ny mponina raha vao nandre ny tsy ahatongavan'izy ireo eto. Ny antony, dia eo amin'ny lafiny fahasalamana, dia maro ny nihevitra, fa ho viravirain'ireo vahiny vola ny tanora malagasy, ka hanaovany izay hitiavana azy. Ahiana noho izany ny (…)
  • Antoko Fihavanantsika

    Tsy miray loha ny mpanohitra

    jeudi 23 octobre 2008 | Penjy R. |  671 visites
    Nangina ny hetsiky ny mpanohitra. Tsy mbola fantatra izay mety ho tohiny, fa ny tsy azo lavina, dia mizarazara be ihany ny hevitra. Samy maka ho azy izahay mpanohitra na dia samy milaza aza fa iray no tanjona, dia ny ady amin'ny famoretana vahoaka. Maro an'isa ny mpanohitra, ary vitsy ireo eo amin'ny fitondrana. Tsy hay anefa ny tena mampitovy ny tadin-dokanga, ka ny hafa ny maha-maika azy dia ny hankalaza ny 14 oktobra. Ny fahefa-mividy eo amin'ny vahoaka anefa no tena maika amin'ny olona. (…)
  • Pasitera Mailhol sy ny krizy eran-tany

    Hisy filoham-panjakana hiongana

    mercredi 22 octobre 2008 | Penjy R. |  2068 visites
    Raha tsy mitandrina isika, dia ho potika indray ny toe-karena hambara fa efa miarin-doha ankehitriny. Fepetra tokony ho raisin'ny fanjakana haingana ny manazava amin'ny vahoaka ny mety ho fiantraikan'ity krizy ara-bola maneran-tany ity. Io no nambaran'ny Pasitera Mailhol tao amin'ny Aceem Radio ny alahady teo. Tahotry ny hidin'ny famatsiana ara-bola ataon'ireo mpamatsy vola mahazatra sy ny firenena matanjaka antsika io. Ny antony, dia io hiarahana mahita io ny fitotongan'ny toe-karena any (…)
  • Krizy ara-toekarena eran-tany

    Mangina ny fanjakana Malagasy

    mardi 21 octobre 2008 | Penjy R. |  683 visites
    Tsy ahiana hisy fiantraikany eto amintsika ve ity olana ara-toe-karena eran-tany ity no tsy misy feo re avy amin'ny mpitondra fanjakana? Io no mby tonga ao an-tsain'ny maro raha mahita ity olona eran-tany momba ny toe-karena ity. Mikaikaika ny firenena matanjaka, satria manomboka mitsotsorika ny hari-karena. Ny filoha Frantsay, dia nanambara, fa raha toa ka tsy mahita vaha-olana hatramin'ny Desambre 2008 ity, dia fahapotehana no hita eran-tany. Manomboka banky tanteraka ireo banky matanjaka (…)
  • Zakahely ao Ambalatavoangy

    Nifona tamin-dRavalomanana

    lundi 20 octobre 2008 | Penjy R. |  1812 visites
    « Mamela ny heloko fa tsy fantatro izay nataoko ». Vokatry ny fangirifiriana ao am-ponja, ao Toamasina, dia nandefa taratasy fifonana any amin'ny filoha Ravalomanana ny depiote Zakahely voafidy tao Mananara Avaratra. Taratasy izay niantefa mivantana ho an'ny filohan'ny repoblika Marc Ravalomanana sy ny Praiministra Charles Rabemananjara ary ny filohan'ny antenimieram-pirenena Jaques Sylla. Andro vitsivitsy izay no nananteran'ny andefimandriny ity taratasy ity tany amin'ireo (…)
  • Andrimasom-pokonolona

    Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana

    mercredi 15 octobre 2008 | Penjy R. |  871 visites
    Mitombo andro aman'alina ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mihorohoro ny ankamaroan'ny mponina raha vao manomboka maizina ny andro. Tsy misy azo hitokisana intsony, fa na ny fianankaviana akaiky aza mivadika rehefa tojo ny saina ratsy ny lohany. Ny mpitandro ny filaminana, dia misy ny miray tsikombakomba amin'ny ratsy, ka tsy vitsy no efa tafiditra am-ponja amin'izao fotoana izao. Toa tsy azo hiateherana intsony ny lalàna hoy ny hafa, satria votsotra ny ankamaroan'ny (…)
  • Feon-dakolosy hafa

    Tsy devoly izahay ato amin’ny FJKM Anosipatrana

    mardi 14 octobre 2008 | Penjy R. |  1641 visites
    Malahelo izahay mpino, raha aparitaka amin'ny trakta eran'ny arabe fa devoly. Ny antony, dia mankasitraka ny fanovana ataon'ny synodam-paritra izahay, hoy izy ireo nitondra ny fanazavany, mikasika ny lahatsoratra nivoaka teto amin'ity gazety ity. Mitaky ny handraisan'ny foibe FJKM ny andraikiny izahay, hoy ireto mpino ireto, satria hankalaza ny faha-140 taona niorenany ny fiangonana. Atahorana ny hikatonan'ity fiangonana ity, satria efa manomboka ratsy ny fifanoherana eo amin'ny samy mpino. (…)
  • Fivoriana an-tampony Afrikanina

    Nanome tsiny ny mpanohitra ny Tim

    lundi 13 octobre 2008 | Penjy R. |  608 visites
    Misy mitady hamboly koronta tsy ahatanteraka ny fivoriana an-tampony aty Afrika atao eto Madagasikara any ho any. Io no nambaran'iIngahy Mamy Rakotoarivelo ny asabotsy lasa teo. Tombony lehibe ho antsika ny fandraisana ity fivoriana ity, satria hiompana any amin'ny lafiny toe-karena sy soasialy ny firenena. Hifantoka aty Madagasikara ihany koa ny mason'izao tontolo izao. Hiakatra ho amin'ny tsara ny lazan'i Madagasikara, ka tsy ho zakan'ny mpanohitra izany. Isan'ny voatsiahy amin'ny tombony (…)
  • FJKM Anosipatrana

    Mifandrafy ny mpino kristianina

    lundi 13 octobre 2008 | Penjy R. |  1301 visites
    Marary ny aim-panahin'ny fiangonana. Tsapa izany nandritra ny fotoam-pivavahana tao amin'ny FJKM Anosipatrana omaly maraina. Nivoaka ny trano fivavahana ireo mpino maro, ary nilanja sorabaventy mitaky ny hamerenana ny pastora Ralijaona Noroharisoa amin'ny toerany. Nigagam-bahoaka ny zava-niseho, satria moa va tsy irony mpanao politika midina etsy amin'ny kianjan'ny 13 mai irony ireto vahoakan'Andriamanitra tetsy Anosipatrana ireto. Tsy nisy vavaka nandeha tamin'izay laoniny intsony, satria (…)
  • Elia Ravelomanantsoa

    Mbola fanoherana tamin-dRatsiraka no misy

    samedi 11 octobre 2008 | Penjy R. |  1007 visites
    Tsy ampy, fa tsy hoe tsy mety tanteraka ny asa miantraika amin'ny vahoaka eto. Midika izany, fa mila ny fandraisana andraikitry ny rehetra fa tsy hialangalana. Tsy voatery hiaraka hitondra amin'ny fitondrana izany. Manana anjara fanabeazana ny mpanao politika ka ho ezahin'ny antoko «Madagasikarantsika» tarihan-dRtoa Elia Ravelomanantsoa. Nambarany fa nomen'ny vahoaka fahefana hitondra ireo mpitantanana ankehitriny. Manaja izany ity antoko ity. Ny antoko misy an'i Elia Ravelomantsoa, dia (…)
  • Antoko Fihavanantsika

    Mibosesika ny vahiny, mila mailo isika

    jeudi 9 octobre 2008 | Penjy R. |  776 visites
    Be harena i Madagasikara, ka mampisarika ny mason'ny mpanam-bola vahiny. Ny fitrandrahana ireo harentsika hiondrana any ivelany no tena mahazo laka ankehitriny. "Manahy ny mety ho avin'ny firenena malagasy izahay ato amin'ny antoko Fihavanantsika", hoy ingahy James Ratsima. Mpikatroka ao anatin'ny birao politika. Heno, fa misy mitady, hametraka toby fitrandrahana nokleary eto mba hanome herinaratra. Mety hanimba tontolo hiainana io, ka aleo ny barazy amin'ny toho-drano no atao. Mora kokoa (…)
  • Raharaha Bôlô

    30 volana an-tranomaizina

    mardi 7 octobre 2008 | Penjy R. |  607 visites
    Tsy araka ny nampoizina ny sazy navoakan'ny fitsarana omaly tetsy Anosy momba ny raharaha Bolo. 30 volana sazy mihatra an-tranomaizina no azon-dry Bolo sy ny namany izay miisa 11. Raharaha izay tafiditra amin'ny resaka fanonganam-panjakana izay saika atao nanomboka ny taona 2006. Nampakatra fitsarana ambony ireo mpisolo vava ny voampanga, manoloana iny didy nivoaka omaly iny. Tsy araka ny nampoizina hoy ny maro ny didy nivoaka, satria maro no nihevitra fa sazy mandram-pahafaty no ho (…)
  • Loholona Rabetsitonta

    Mba mahalala menatra ry mpanohitra

    vendredi 3 octobre 2008 | Penjy R. |  1141 visites
    Tsy mpanohana izao fanjakana izao izahay, raha toa ka tsy niteny ny tarehi-marika. Niakatra hatrany amin'ny 7,5% ny harin-karena faobe teto Madagasikara. Midika io fa misy ezaka lehibe nataon'izao fitondrana izao hanatsarana ny toe-karena Malagasy. Ny Grad Iloafo, hoy ny loholona Rabetsitonta, dia dia mahay mihaino, ary manolotra soson-kevitra entina hampandrosoana an'i Madagasikara. Tokony hisy ny sehatra malalaka afahana maneho hevitra, nefa tokony hiavaka tsara ny mpiray diha amin'ny (…)
  • Tsy hiova ny Governemanta

    Tsy ilaina ny manova olona

    lundi 29 septembre 2008 | Penjy R. |  579 visites
    Tsy kilalaon-jaza ity manova olona isaky ny mihetsika ity. Noporofoin'ny filoha Ravalomanana io tamin'ny zoma alina teny Ivato. Vao manomboka ny asa ka hanova Governemanta ahoana ? orofo iray io, fa olona mahatoky mahavita azy avokoa ireo narafiny ao anatin'ny Governemanta ireo. Asa maro no miandry ireo mpanatanteraka, ary isan'io ireo notanisain'ny filoha nandritra ny kabariny teo anoloan'ny firenena mikambana tany New York. Ny sehatry ny fahasalamana toy ny ady amin'ny tazo moka, izay (…)
  • Fahasalaman’i Ratsiraka

    Salama tsara ny amiraly

    samedi 27 septembre 2008 | Penjy R. |  2053 visites
    Tomady sady, salama ny amiraly. Io no valin'ny filazana tao ho ao, fa tsy salama ingahy Didier Ratsiraka. Mampamangy ny vahoaka Malagasy any hoy ny tenany, raha nampita hafatra ho an'ny malagasy izy. Ingahy Roland Ratsiraka no nampitondrany io hafatra io. Endrika fanagiazana ny tenany ny toy ireny hoy izy. Ninia nangina aho, raha vao nivoaka ny fonja, saingy toa manosika ahy hiteny ny tranga nahazo ahy farany teo. Miantso ny vadin'ny Filoha Ravalomanana ny lehilahy, mba hiroso amin'ny (…)
  • Soanierana Ivongo

    Mandidy dia homana ny ben’ny tanana

    vendredi 26 septembre 2008 | Penjy R. |  646 visites
    Nametram-pialana avokoa ireo mpanolontsainan'ny kaominina miisa 7, ao amin'ny kaominina Antanifotsy, distrikan'i Soanierana Ivongo ny 10 septambra lasa teo. Fanaovana ampihimamba ny volam-bahoaka no anton'izao fametraham-pialana izao. Io no nambaran'ny depiote voafidy tany an-toerana Mananjara Fidson, izay isan'ny tsy hanaiky lembenana amin'izao trangan-javatra mitranga izao. Nisy ny vola Ar 9 tapitrisa avy amin'ny filoham-pirenena nomena isaky ny kaominina. Tsy hita akory anefa izay (…)
  • Fanampiana ataon’i TIM

    Misy mivarotra ireo fitaovana

    lundi 22 septembre 2008 | Hery A., Penjy R. |  584 visites
    Aleon'ny sasany avadika vola, toy izay hianaran-janany. Fitiavan-kely tsy misy toy izany. Tsapa io nandritra ny fizarana fitaovam-pianarana kahie nataon'ny antoko tim ny sabotsy lasa teo. Kahie miisa efatra isaky ny ankizy no natolotra, ary nisy vitsivitsy ireo ray aman-dreny niaraka tamin'ny zanany no namadika izany ho vola teo amin'ny mpivaron-kena iray tetsy Besarety. Ny anton'io hoy ity ramatoa iray, dia tsy manana sakafo ho hanina izy ka aleo ny kibo no asiana sakafo kely. Tsy manana (…)
  • Kaominina eto andrenivohitra

    Hitokona ireo mpiasa voahilikilika

    vendredi 12 septembre 2008 | Penjy R. |  638 visites
    Ny etsy miravona, ny olana hafa mipoitra indray. "Rehefa tsy hisy fitsimbinana ny momba anay mpiasa, dia mety hiafara amin'ny fitokonana faobe izy ity". Io indray no nambaran'ireo mpiasa eo anivon'ny kaominina Antanananarivo renivohitra. "Tafiditra hatrany anatin'ny asanay ny resaka politika, ka napetraka anjorom-bala izahay mpiasa efa niasa amam-polo taona maro". Ny fitakiana ny hampiakarana azy ireo ho ELD no fiandohan'ny resaka. 5 taona niasana ny kely indrindra, nefa mbola ECD ihany (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}