Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 16h16
 

Malagasy

Mpanolontsaim-paritra Analamanga

Velona ny ady tombontsoa

lundi 5 mai 2008 | Naivo kely

Tsy voatazona ny teny nomena. Ny mahasoa aloha vao ny tanindrazana. Io no azo ilazana ny zava-misy eo amin’ny mpanolontsaim-paritra eto Analamanga manoloana ny ady varotra ho an’ny tombontsoan’ireto olom-boafidy ireto.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireto mpanolontsaim-paritra ireto ny fandinihana manokana ny tombotsoa tokony ho azon’izy ireo. Isan’io ny tokony hanomezana vola amin’ny trano hipetrahan’izy ireo. Ny fanonerana ny vola lany raha misy marary, ary misy ny mihevitra fa tokony hanana ny kabinetrany izy ireo, izay ny faritra no tokony handoa ny karaman’ireto olona ireto. Tsy nijanona hatreo anefa ny fitakiana fa nitohy hatrany amin’ny fandoavana karama isam-bolana ho azy ireo, ary niafara hatrany amin’ny fitakiana fanomezana fiara 4x4 ho an’ireto mpanolontsaim-paritra ireto.

Tsara ny milaza fa raha ny olom-boafidy eto amin’ny faritra Analamanga, dia misy 14 ny mpanolontsaim-paritra. Depiote 19, ary loholona 4. Ny vola omena azy ireo rehefa mivory eto Analamanga dia 15.000 Ar, ary ny solon-tsakafony dia omena 20.000 Ar isan’andro. Hatreto dia tsy voatazona ilay teny nomena nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny, izay nilazana fa tsy tombontsoa fa fampandrosoana ny faritra sy ny tanindrazana. Ny faritra no miahy ireo voalaza ireo, izay afaka manapakevitra amin’ny ho enti-manana ho an’ireto olom-boafidy ireto. Aharaka ny filan’ny olom-boafidintsika ve ny vola eo ampelan-tànanan’ny faritra ? Hanao ahoana ihany koa ny any amin’ny faritra hafa raha mahita izao fitakiana ataon’ny eto Analamanga izao ?

Tsy ho gaga amin’izao endrim-pitakiana izao ny maro, satria izay anie no mahatonga ny sasany hirotsaka ho fidiana e ! Mazava amin’ny rehetra fa saika avy ao amin’ny antoko TIM avokoa ny mandrafitra ireo voalaza rehetra ireo.
Raha ny vaovao fantatra aloha, dia ny depiote sy ny loholona dia tsy nahita teny firy amin’ireo fitakiana voalaza etsy aloha ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS