::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter    Google+ Google+   ::::
Antananarivo | 13h14  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
dimanche 19 mai 2013
 

 > Teny zato, kabary arivo

Tsy taitra ny maro

jeudi 15 janvier 2009, par Naivo kely

Izay ataon-dry zareo matanjaka eo, dia zakaina avokoa e. Io no teny heno etsy sy eroa nandritra ny andro vitsy teto an-dRenivohitra. Momba ny hetsiky ny mpanohitra io. Samy naneho ny heviny avokoa na ny filohan’ny Repoblika ny talata lasa teo, ary novalian’ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina ihany koa ny alarobia.

Tsapa fa misy ny alahelo an’ity ben’ny tanàna ao amin’ny maro, saingy toa tsy marisika ny hanao hetsika politika intsony ny olona. Ireo ve tsy ahay hifandamina eo hoy indray ny hafa, fa ny sakafo hiditra ato an-kibo aloha izao no maika. Dia ny mihaino resaka sisa no atao e. Mifamahofaho ao an-tsain’ny maro tokoa ireo hetsika politika nitranga teto Madagasikara nandritra ny taona maro. Aiza no hiafarantsika amin’izao ? Toa saika manome tsiny avokoa ny mpifanolo-bodirindrina rehetra raha nahita ny tena nandeha nihazo ny Kianjan’ny 13 mey tao anatin’ny tolona nifandimby izay. Ny pataloha rovitra tamin’izany, mbola tsy voazaitra. Ny mpiasa namono tena, toa tsy nisondrotra grady, fa ny 10% fanome hatramin’izay no mbola azo. Ireo nahay nilomano nanakaiky ny mpitondra no toa nahazo vahana, ka nijoalajoala tao anatin’ny taona vitsy ny trano be sy ny fiara.

Mandeha ny ora sy ny fotoana. Mbola andeha amin’izay hetsika hitranga eto ve ny tena ? Tsy taitra amin’izany intsony ny maro, raha mandre ny resaka anaty fiara fitateram-bahoaka sy eny an-tsena rehetra eny. Dia ho hita izay mbola sahy hanao sorona ny fiainany, satria ireo nihetsika mba nanohitra ity fitondrana ity aza ka tsy misy mpijery intsony any am-ponja e.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Vols, Hôtels, Séjours :
Les meilleurs prix

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Nous suivre

     
Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

avril 2013   mai 2013
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 266  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP

    Faire un crédit rapide en France | Découvrez aussi : Xbox 360