Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 06h03
 

Teny zato, kabary arivo

Izay vandana dia kary

samedi 13 octobre 2007 |  739 visites  | Naivo kely

Antoko tsy nisomonga teo amin’ny mpikambana nisy azy ny antoko Tiako I Madagasikara nandritra izay fotoana nijoroany teto Madagasikara izay, ary tsy nananany havany ho an’ireo tsy nahomby amin’ny sehatry ny fitantanana ny antoko, na ny andraikitra izay nosahaniny. Hita taratra io teo amin’ny filoha nitarika ity hatramin’izay fony ingahy Raharinaivo Randrianatoandro no nitondra ny TIM. Nosoloina an’dRazoharimihaja io ingahy io, ary tato afara dia izao lasan’i Yvan Randriasandritriniony indray ny toerana. Ny toeran’ingahy Sylla SG dia noesorina taminy ihany koa ka io mbola tsy voasolo hatramin’ny anio io. Firy ireo minisitra TIM tsy hita tabilao intsony rehefa tsy nahavaly ny filan’ny vahoaka teo amin’ny asa nosahaniny ? Ny Antenimieram-pirenena izay nahitana ny TIM maro an’isa aza noravana, ary zara raha nisy olona vitsy voatendry naverina ho fidiana farany teo ireny, satria angaha ratsy fitondran-tena. Izay vandana dia kary, ary tsy natao fialokalofana politika ny antoko. Io no hitarafan’ny maro ny zava-misy ao, koa tsy rariny ve ny tahaka izao mba ho hanatra ho an’ny hafa, satria tsy azo atao ny manome modely ratsy ny mpiara-belona, na hanabe takolaka ny sasany ka zary ny atoko no sorona tsy fidiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS