Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 12h16
 

Malagasy

Justice et Paix

Hianaka hatrany ampiangonana ny kolikoly

samedi 5 avril 2008 |  462 visites  | Naivo kely

Manjaka ny fahalovana, ary tsy hay tohaina ny herin’ny fitiavam-bola. Hatrany amin’ny mpitondra fanjakana ka hatrany amin’ny madinika indrindra no ahitana izany. Nomena ohatra ny momba ireo hazo sarobidy izay saika tratra avokoa ny fikasana hanondranana izany any ivelany. Nankaiza izy ireny rehefa voasambotra ?

Isan’ny nivoitra io tamin’ny fihaonana andiany faharoa nataon’ny Justice et Paix tamin’ny fifanakalozan-kevitra fanaony amin’ny mpanao gazety. Isan’ny nandray anjara tamin’io ny teo anivon’ny BIANCO tetsy amin’ny Falda Antanimena omaly. Ny tena mampalahelo, dia ahiana hianaka hatrany ampiangonana ny kolikoly. Manomboka mahazo vahana izy io ankehitriny. Ny eny anivon’ny tantsaha indray, dia mazana variana amin’ny vola, satria ireo harena ankibon’ny tany dia tsy azony hoanina. Izay ahitana ho harapaka no tanjony, ka mora voarebireby amin’ny vaza indray mihetsika. Hisy dingana hatao manaraka atsy ho atsy araka ny tapaka tamin’io fihaonana omaly io, ary apetraka ny fepetra henjana ho an’ireny tratra minia manao izany, izay angatahana amin’ny tompon’andraikitra mifanitsy amin’io ny fampiharana ny lalàna.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS