::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::   Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!  ::::
dimanche 12 juillet 2009
 

 > Malagasy

Datin’ny 13 janoary

« Aza miady fasana hilevenana », hoy i Pierre Houlder

vendredi 9 janvier 2009, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail

« Tsy misy maniry korontana, fa ny fitakiana no tsy maintsy atao. Any amin’ny mpitondra fanjakana ny lakilen’ny filaminana rehetra, satria ny zo fototra no hambara fa voahitsakitsaka ».

Io no nambaran’ingahy Pierre Houlder, manoloana ny mety hisian’ny korontana eto. « Tsy hiverina ny tranga toy ny tamin’ny 2002, satria fitakiana madio no ataonay. Diso ny fiheveran’ny sasany, fa manosika an’i Andry Rajoelina ho atao sorona amin’ny tolom-bahoaka izahay mpanao politika. Ilay zo fototra tsy voahaja no nahatonga ny mpanao politika rehetra hitambatra. Tsy tokony ho tafaray anefa ireo », hoy ihany i Pierre Houlder nanohy.

« Raha ny zava-misy eto, dia samy manana ny olany ny mpandraharaha rehetra, toy izany ny olon-tsotra sy ny mpanao politika, ary ny mpianatra. Be ireo fitarainana efa natao, saingy toa tsy nisy mpihaino. Aoka tsy hiady ny fasana hilevenany izao fitondrana izao, ka ahay hihaino sy hamaha ny olana eto Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy », hoy izy namarana ny heviny.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   
 
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Publicité sur Madagascar-Tribune.com
Fleur d'école
décembre 2008   janvier 2009   février 2009
L Ma Me J V S D
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
 
Nouvelle Frontieres Vols

Visiteurs connectés : 41  


Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
Découvrez aussi : Xbox 360