::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::   Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!  ::::
dimanche 12 juillet 2009
 

 > Teny zato, kabary arivo

Ataovy anatra ny lasa

vendredi 9 janvier 2009, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail

« Tsy izay miteny hoe tompoko, tompoko, no hiditra ny fanjakan’ny lanitra ». Tsy izay rehetra milaza fa hamaha ny olan’ny Malagasy, dia ahavita fahagagana ho antsika avokoa. Ataovy anatra ny lasa, satria ny omaly tsy miova no hita eto. Mandindona ny korontana eto amin’ny tanàna. Tsy hay hampanginina ny fandranitana ataon’ny sasany. Hikoha-maina aza atao, maika fa misy rehoka. Ny daty 13 Janoary sisa handrasana dia tonga ny fotoana. Fotoana inona hoy ny hafa ? Ny hanetsehana vahoaka hikomy amin’izao fitondrana izao. Mampahatsiaro ny tranga nisy hatramin’izay ny fiatombohan’ny adisanina eto amin’ny tanàna. Hialohavana fotoam-bavaka, toy ilay « krisimasim-pihavanana » nataon’ny ben’ny tanàna Ravalomanana teo Mahamasina ny volana desambra 2001. Dia ireny niarahana nahita ireny ny niafarany. Nisy fifandonana teto ny taona 2002, ka mbola nampihitsoka ny sasany any ivelany hatramin’izao. Dia inona no maha samy hafa ny tamin’izany sy ny ankehitriny ? Mbola misy vahoaka te-hamerina ireny lasa ireny ve amin’izao isika miteny izao ? Ataovy anatra ny lasa, nefa izany ve no tsy hitakiana ny hampanjakana ny rariny sy ny hitsiny eto ? Be ny singam-bola mandavo ny vositra eto, ka zary tratry ny nenina hatrany isika vahoaka. Dia hihetsika isaky ny folo taona latsaka izao ve, hoy ny mpitazana. Sa ilay grevy mateti-pihavy mihitsy no mahafinaritra, mba sitrany ahay hipitihan’ny vitana raha tonga ilay mofo mamy ?

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   
 
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Publicité sur Madagascar-Tribune.com
Fleur d'école
décembre 2008   janvier 2009
L Ma Me J V S D
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
 
Nouvelle Frontieres Vols

Visiteurs connectés : 122  


Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
Découvrez aussi : Xbox 360