Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 09h26
 

Répondre à un commentaire

25 novembre 2022 à 11:48 | lé dezertera (#11352)

F’iza moa no nitatatata tamin’ny 2018 raha nanao fampielezan-kevitra fa afaka 5 volana dia tsy hisy ny delestazy ary firy MW moa no lazainy fa hovokarin’ny JIRAMA eo ambany fitondrany ?

Dia izao anefa ity minisitra, volana vitsy alohan’ny fiafaran’ny fe-potoana hiasan’ity fitondrana ity, no manao fanambarana tsy lohany tsy vodiny toa izao.
Mba azony an-tsaina ve hoe ahoana no ho fiantraikan’izany resany izany amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy ?
Dia hiakatra manao ahoana ny tombom-bidin’ny lohan-karena vokarin’ny orin’asa raha toa k’izy tenany no tsy maintsy hiantoka sy hanokatra ny fototra herin’aratra hampiodina ny orin’asany ?

Toa zara fa manao fotsiny ity fitondrana ity fa tsy misy mihitsy vaha-olana na drafitr’asa matotra entiny na ho an’ny Ambanilanitra velona eto Madagasiakra na ho an’ny orin’asa foto-piasan’izany Ambanilanitra izany.
Tsy misy indray tato ho ato ny fitokanana fôpla ka tsy nidedadedahan’izy samy « phooza » ka izao vala-maty tsy mari-pototra izao sisa tanisain’ilay minisitra.

Mba ampianaro ihany ny ankizy fa na dia sombim-pisainana kely fostiny aza toa tsy ananan’ity fitondrana ity, na ilay filou Rainilainga izany na ilay « mpiray misitrika » Ntsay (izay tsy hita mihitsy hoe aiza ary inona no ataony) na ireto lazaina fa minisitra.
Angamba tokoa ity no tonga amin’ilay hiran’ny Tarika Mahaleo hoe « Minisitra » :

"Tao an-tsekoly izaho no gisitra ...
Ka ny faniriako : ny ho tonga minisitra ..."

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS