Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
82 %
Derniers commentaires
- Demokraty : @Isandra Ou est le tramway qui avait été annoncé depuis la transition comme « (...)
- Zora : Yes ! Bien dit👏👏👏👏👏👏👏👏
- Maroon : The Technology has evolved Mr. President... Solar Parks are expensive and (...)
- bekily : zany hoe farany izay bongany mihintsy ny foza !!!!
- bekily : Avec Tsiranana...nous vivions sur des acquis ...non entretenus , ni (...)
MANAMAFY NY FATOKISANY NY FITONDRANA NY MPAMATSY VOLA FMI, ARY VONONA NY HANOHANA ARA-BOLA NY PEM.
"Tafahaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny FMI, Kristalina Georgieva, indray ny tenako amin’izao fivoriamben’ny firenena mikambana eto New York izao.
« Matoky an’i Madagasikara izahay, matoky anao ary hanamafy ny fanohanana ny firenena Malagasy hanatratra ireo fanamby napetrakareo. Hotohizana ihany koa ireo tohana ara-teknika amin’ny fanatanterahana ny Plan Emergence de Madagascar » hoy ny teniny tamiko raha niaraka nanao jery todika ny fiaraha-miasa eo amin’ny FMI sy Madagasikara izahay nandritra ny fihaonana.
Mahavelombolo izany fahatokisana izany ary mankahery antsika amin’ny fanohizana ny ezaka efa natao eo amin’ny sehatry fandrindram-piterahana, ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fananganana fotodrafitrasa mifanindran-dalana amin’izany. Notsipihan’ny Tale Jeneraly Kristalina Georgieva ihany koa fa misy fiantraikany goavana eo amin’ny toekarena maneran-tany ny krizy iraisam-pirenena misy amin’izao fotoana izay manampy trotraka ny krizy ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. Nankasitrahany manokana kosa ny fahaiza-mitantana nasehontsika indrindra tamin’ny adisisika nataoko nandritra ny COP26 farany teo." Page facebook Andry Rajoelina.