Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 13h10
 

Répondre à un commentaire

5 août 2022 à 18:07 | Antony (#9838)

Ho an’ny ry mpanohana tsy misy fepetra izao fitondrana izao aloha dia hoe be dia be ny zava-bita.
Raha tsorina dia midika izany fa mandroso ny firenena, mahay mitantana ny mpitondra na dia teo aza ny sakantsakana maro samy hafa ataon’ny MPANOHITRA, toy ny :
- COVID
- Cyclones
- Hain-tany
- Ady any Ukraine
- Mbola ho avy koa ny any Taïwan (enga anie mba ho voasakan’izao fitondrana izao ny finiavan’ny MPANOHITRA hiroso amin’izany)
Fa ny tena ahitana fa mahay mitantana ry zareo dia mitombo isa ny mpanankarena (jereo ireo ministra ohatra).
Efa ho avy ny bus be, ny téléphérique, sy ny sisa tsy voatanisa fa velirano be loatra !
Matavy loatra ka izany no mahatonga ny fitondrana manena ny sakafo hohanin’ny Gasy
Efa manan-trano daholo ka izany no mahatonga ny fitondrana mampitombo ny isan’ny mpatory eny an-dalam-be (tsy hitanareo, trano miorina etsy, trano miorina eroa)
Mila manonofy raha tsy izany tsy mandroso izany no mahatonga ireny fampanantenana bobaka be ireny
Na izy mpitondra aza efa tsy maharaka intsony ny fandrosoan’ny firenena ka hany ka tsy hitany intsony hoe inona indray izao no atao manaraka
Tsy mihemotra izany izao fitondrana izao r’zareo a ! Ianareo no tsy maharaka, mandroso izao satria samy manana ny famaritany ny atao hoe fandrosoana eto ! Anontanio anie ry Isandra mianakavy e ! Izao anie no tanjona tamin’ireny 2009 ireny e ! Izao no atao hoe REVOLUTION...
Raha mbola mizirizy amin’ny hevitrareo ianareo dia satria MPANOHITRA ny REVOLUTION zany

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS