Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Répondre à un commentaire

13 juin 2022 à 15:29 | Shalom (#2831)

Tantara iray tena nahavarina ahy tokoa niseho tsy vao ela izao.
Raha nipetraka tany amin’ny tanàna iray tao Frantsa aho dia niantsena tao amina-magazay lehibe « Carrefour » rehefa mifarana ny herinandro.
Tao amin’io toerana io dia nisy ramatoa malagasy telo niasa :
- olona efa somary zokinjokiny ny iray
- mpirahavavy kambana ny roa hafa.
Ireo olona telo ireo dia samy mpitana kesy (caisse) tao amin’ilay tranom-barotra, koa rehefa mandalo ny kesy ny tena dia mifampiarahaba.
Raha ilay ramatoa zokinjokiny no handalovana dia lasa ny resaka sy ny fanontaniam-baovao sns ... fa raha iretsy kambana mirahavavy kosa dia zara raha mamaly.

Taty aoriana dia nikarakara ny trano nipetrahan’ny zanako vavy aho ka ny hagagako dia nifanena tamiko teo am-pidirana ny trano ny iray tamin’ireto mpirahavavy. Dia niarahaba aho fa samy malagasy moa kanefa dia havonavona no valiny azoko.
Tsy dia mampiraika ahy firy ny toa izany fa samy nosoran-dreniny menaka e !

Teto Madagasikara aho vao andro vitsivitsy lasa izay (izay no nitenanako teto tamin’ilay kaondrana iray iny hoe afaka ny mifanao fotoana ahitany fa eto an-toerana aho).

Ny zava-doza tena nanaitra ahy teto an-toerana tamin’izany dia izao : hitako ny iray tamin’izy mirahavavy kambana mpitana kesy tao amin’ilay « Carrefour », toa hoe vao NOTENDREN-dRAINILAINGA alias Mr HO ho lasa MPANOLO-TSAINANY hono ; fianakaviako mpanolo-tsain-dRainilainga alias Mr HO no nilaza io tamiko, mpiara miasa aminy ao an-dàpa hono ary vao avy notendrena (tsy ilaozan’izay mamanara ny fianakams lé kopé a !).

Tena kepoka aho. Tsy mampaninona ahy velively raha voatendry ny amin’izany ilay olona saingy ny mahalasa-saina ahy dia ny hoe : « Raha olona mba nianatra ilay tovovavy, tsy misy olana izany kanefa maninona no dia nitana kesy no anton’asa nataony nandritra ny taona maro fa tsy mba nitady asa hafa araky ny mari-pahaizany ? ».

Asa aloha f’izaho angamba no efa taraiky ka tsy maharaka ny toetr’andro fa dia lasa ny saiko ary mbola mihodikodina mandrak’androany mieritreritra hoe olona toa ireny ve no hoe mpanolo-tsain’ny filoha ?
Asa f’izay angamba no maha Rainilainga alias Mr HO azy !

Hoy i Mahaleo sy ny Tariny ao amin’ilay hira hoe « Madirovalo » : « Tantara marin’izany leirony a ! ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS