Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 06h51
 

Répondre à un commentaire

22 septembre 2021 à 18:43 | lysnorine (#9752)

FANONTANIANA MIANDRY VALINY !

– Nahoana moa no TSY VANTANY VAO nitranga ny ADY dia nampahafantarina azy ny firenena, sa MAIVANA noho ny resaka teleferika ny aina Malagasy tsy manan-tsiny nalatsaka, eo imason’ny mpitondra fanjakana ?

« Près de 50 personnes ont trouvé la MORT dans des ATTAQUES des bandits dans la COMMUNE RURALE de MAROVITSIKA, DISTRICT DE BEFOTAKA SUD, le 17 septembre suite à un AFFRONTEMENT entre 120 dahalo armés et la population locale appuyée par 4 éléments de la gendarmerie. »

– Inona moa no VOLA AMAN-KAREMBE nantenain’ireo dahalo mitam-piadiana miisa 120 ireo, ho raofiny avy amin’ny FANAFIHANY ny MPONINA ao MAROVITSIKA ?

– Sa kosa ZAVATRA HAFA no antony kendrena amin’ny FANAFIHANA ny tanàna dia ny hampihorohoroana ny vahoaka ho LAO MONINA ao ka dia handositra, hifindra toerana ? Dia HODIASAN’IZA izy amin’izay ?

Mitranga AVY HATRANY eto ny FANONTANIANA FOTOTRA tonga dia manitikitika ny saina, KOA RAHA TSY MAHAVALY azy ireo foana HATRAMIN’IZAY ny FANJAKANA, ny ZANDARY, ny TAFIKA, ny MANAM-PAHEFANA rehetra amin’ny faritra, dia AO RAHA.

1. AVY AIZA AVY no NIAVIAN’ireo dahalo ireo ? TAIZA NO NIVORIANY MIALOHAN’ny nanafihany ? NAHOANA no TSY NAHATANDRINTANDRINA izany ny MANAM-PAHEFANA TEO AN-TOERANA, FA MANAO INONA FOTSINY ?

2. AVY AIZA NY FIADIANA teo ampelatanan’ireo dahalo ireo ? Karazana inona avy ireo fiadiana ireo ?

3. AHOANA sy AHOANA avy ny amin’ny SAKAFO amam-PATORIAN’ireo dahalo ireo ISAN’ANDRO ?

4. VOLA AVY AIZA DAHOLO no amelomana ireo dahalo ireo sy amatsiana azy FIADIANA ? Tsy mba misy VADY ve miara-monina amin’ireo dahalo ireo ?

Araka ny nomarihan’d Ra-Jao, 22 septembre à 17:40, etsy aloha :
« Les DAHALO SONT TRÈS BIEN ARMES aujourd’hui parcequ’ils tiennent tête a nos forces de securite. A croire qu’il est tres facile de se servir dans l’arsenal de l’armée.... »|

Tsarovana koa fa tsy vao izao ange no nitrangan’ny fanafihana tamin’io faritra io . Ohatra iray fotsiny tamin’ny FITO taona lasa :

« Befotaka »
« Fehezin’ny ekipan-dRemenabila ny tanàna »
Tia Tanindrazana
10/02/2014

« Noho ny tsy fahampian’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny Distrikan’i Befotaka dia MIGALABONA NY DAHALO ary izy ireo indray aza amin’izao no mampihatra ny lalàna sy misambotra olona ary manasazy sy manao fisavana, raha ny fanazavan’ny MPITONDRA FIVAVAHANA IRAY LASIBATRY NY MALASO TANY AN-TOERANA. Nambaran’ity PASTORA ity izay HANAIRANA ny sain’ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa ny DAHALO ekipan-dRemenabila no MAMEHY SY TOMPON’NY TANÀNA AMIN’IZAO, KA MANDRY ANDRIRAN’ATSY NY VAHOAKA manoloana izany, TSY AFA-MAMOKATRA INTSONY...

« Any amin’ny Kaominina BEHARENA dia tsy vitan’ny mandroba fananana fotsiny, fa mamono mihitsy ireo dahalo. Misoloky ho mpitandro filaminana MANAO FANAMIANA ARA-DALÀNA ihany koa ireo olon-dratsy MIARAKA AMIN’NY BASY, MAMPIHOROHORO eran’ny tanàna. Teren’ireo olon-dratsy tsy mahazo mivoaka amin’ny alina ny mponina ka migalabona ireo malaso amin’ny asa ratsy. Manoloana izany dia MANGATAKA NY MPONINA any an-toerana amin’ny HAMETRAHANA TOBINA MIARAMILA “KAOMPANIA”... »

(Mbola hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS