Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 23h09
 

Répondre à un commentaire

29 avril 2021 à 19:02 | arsonist (#10169)

Eny ho’aho !
Tonga indray toy ny isan’andro amin’ny hora voatondro ity ilay vodihazo boboka hanabaty sy hanakorontana ny sain’ny Gasy !

(i) Tamin’ilay indray maka iry ilehio dia nilaza hoe :
« Mirefarefa hono ny ahavon’ny saiko satria izaho dia mbola miady hevitra amin’izay mitranga any Madagougou , kanefa ny olona mandroso liana amin’ny fifanakalozana momba ny planety Martsa ! »
Dia nampiany hoe :« Tsy ahalavo an’ilay poretra mpampiseho zaza gasy mahantra fadiranovana , tahakin’ny mpampiseho orisa tamin’ny fahagolan-tany , any atsimo-andrefan’i firantsa akory hono aho ! »

(ii) Androany indray ilay vodihazo boboka dia tsy tahotra tsy henatra manoratra hoe :
« Nahoana i Vohitra no mitsikera izay ataon’ny mpanjanaka antsika fahiny no sady tsy mandray anjara amin’ny ady hevitra momba izay olana goavana miseho eran’izao tontolo izao ? »
Dia sahin’ilay vodihazo boboka io ny manontany izay hevitr’i Vohitra momba ny fananiham-bohitra ataon’i Rosia any Crimée ?

(iii) Ny mahazendana anefa dia : isan’andro vaky izao , amin’izao hora izao , dia tsy tapaka tonga eto amin’ity serasera gasy ity io vozongo vodihazo boboka io , haka vaovao momba ny nosy sy ny Gasy , dia manely hevitra manabaty ny gasy no sady mampisoko mangina hevitra hifandirana amin’izay Gasy mitovy fijery mikasika ny mpanani-bohitra sy ny mpiremby harena antanin’olon-kafa.

(iv) Tsy mifidy foto-kevitra azony ampiasaina ity vodihazo boboka ity.
Tsy misalasala mihitsy koa izy misakambina ny foza.
Ny foza koa dia miantso vonjy any aminy, rehefa saro-toerana.
Tsy tahotra !
Tsy henatra !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS