Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 06h51
 

Répondre à un commentaire

31 mars 2021 à 11:33 | Vohitra (#7654)

Tsy maintsy hitohy ary ho mafy ihany ny mbola hihantra sy hanjo ity Firenena ity…

Ahoana tokoa moa, tsy toy izao ve no zavamisy ankehitriny : ilay mpamily efa nahavanon-doza niteraka ny fahavoazana ihany ka nitondra ny fiara ho any ankady…no mbola avela hitondra ny fiara mpitondra marary hoentina hitsabo tena !

Mitamberina hatrany manjo sy mihantra amin’ny Malagasy ny fahoriana sy fahavoazana satria…mihatsara velatsihy loatra isika Malagasy !

Tsy maintsy mizaka ny hakanosana sy ny fihatsarambelatsihy rehefa itambesaran’ny anjara ratsy noho ilay mpamily efa mibaby ozona ka iharan’ny todim-piarahamonina tsy ankiato…aiza ve moa, ny olona namosavy azy nanimba ny fiainany sy namotika ny hoaviny indray no nasandrany ho mahery fo !

Ny tsy fisiambola efa mamely, ny mosary efa mihantra, ny tsy fandriana fahalemana tsy resahana intsony, izao indray ataon’ny aretina mivaloharika sy mitrosona mihintsy…

Vao nilaza ny hiandry ny voankazo masaka hianjera ka hotsimponina fotsiny, io fa tonga tokoa indray ny voankazo mangidy tsy telina mitondra ny fahalovana sy fahapotehana…

Fa inona ihany ity e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS