Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 16h59
 

Répondre à un commentaire

23 février 2021 à 17:32 | arsonist (#10169)

# Mahitsy

Ny tonga tsy miarahaba , ratsy taiza !
Ny lasa tsy manao veloma , naman’ny tezitra !
Ka dia miarahaba anao , Tompoko !

Manaraka izay dia misaotra anao nahafoy fotoana hamaliana ny fanontaniana napetrako momba izay fijery sy izay fipetrakin’ny hevitrin’ny Fiangonana Katôlika gasy manoloana izao fahavoazan’ny vahoaka gasy sy ny tanindrazana izao .
Ny fampielezam-poto-kevitra voizin’i Rajoelina no nanambara imbetsaka tetoana fa
1. « isan’ny kitro ifaharan’ny fahefan-dRajoelina hono ny Katôlika gasy » !
2. « fahavalon-dry Rajoelina hono ny FJKM » !

Ny TV eto Frantsa koa , tamin’ireny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ireny , dia nampiseho sary nahitàna
a. ny fotoam-pivavahana netrahan-dRajoelina sy niarahan’ny pretra katôlika vitsivitsy nanao ankalamanjàna , ny andro iray monja mialoha ny tena fangaronan-dapa nataon’ireo mpaka fahaefana ankery
b. an’i Rajoelina mivady ny andro voalohan-dry zareo tao andapa , eo ampanombohana hisakafo , ka nanao vavaka katôlika arahin’ilay famantarana ny hazo fijaliana ankadrina-antratra-antsoroka havia sy havanana . Ka vita izay vao nandrapaka ny eran’ny sotro voalohany .
Eo ampandihana izany rehetra izany , dia manontena aho hoe : marina sa tsia ireo lazain’ny fampielezam-poto-kevitra mpomba an-dRajoelina ireo , izay mampiady ny Fiangonana katôlika amin’ny FJKM ?

Fanamarihana
(i) manondro ahy ho mpandainga ny mpiserasera « isandra » , ilay mpivoy izay rehetra fanohanana an-dRajoelina eto amin’ity serasera ity . Amafisiko anefa fa tena marina ny nosoratako eto !
(ii) Marc Ravalomanana dia efa Ben’ny tanàna tao Iarivo vao fantatro anarana . Taty aoriana dia nisy vehivavy Relijiozy katôlika nilaza tamiko fa nanaraka fiofanana momba ny asan’ny Apostoly Paoly , izay notarihin’i Marc Ravalomanana tao amin’ny Institution Sainte-Famille , no nahafantarany an’i Marc Ravalomanana . Foto-kevitra roa tena lehibe no tsy itoviako amin’i Marc Ravlomanana : a) fitondram-panjakana federal no inoako fa hany aha-avotra ny vahoaka gasy sy ny tanindrazana iombonana b) rehefa filoha dia tokony hiaro amin-kerim-po ny aim-pirenena sy ny tombon-tsoam-bahoaka , fa tsy tokony ho vaky tady hitsaoka antsahan’ady , kanefa ny fokonolona efa vonona hiatrika ady miaraka aminao .
(iii) nahafantatra tsara an’i Armand Gaëtan Razafindratandra aho 1) tamin’ny andro mbola nahazatovo ahy tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa , dia indray taona izay izy no nitarika ny fiofanana nataoanay mpianatra teo ampiandohan’io taom-pianarana io 2) rehefa kardinaly izy , dia nihaona taminy teto Parisy aho ; ka anaprofoiko azy fa efa fantatro mialoha izy dia nampahatsiaviko azy ilay ohatra iray nataony taloha milaza zavatra tsy mazava manao hoe
« toy ny vitsika mainty , eo ambony vato mainty , anaty tonelina maizina , amin’ny sasak’alina maizim-bolana » .
Dia hoy izy namaly ahy hoe : « Dia mbola tadidin’ialahy foana ve lehitsy izany ! »
Tsy fantatro mazava kosa anefa raha jésuite izy na tsia .
Kanefa arakin’ny Tantara [Histoire] , izay azon’iza n’iza amarinina anaty archives , dia ny fanoherana tanteraka ny Réforme [ny Protestanta] no tena fototra nanorenana ka nananganan’i Ignace de Loyola ny Compagnie de Jésus [Jésuites] .
Ny anaram-bositra omen’ny olon-kafa [misy Katôlika hafa ao] ny Lehiben’ny Jésuites dia ny hoe « Pape noir » !
Raha arakin’ny toetrany fantatro aloha , dia tsy jésuite mihitsy ny fahafantarako an’i Armand Gaëtan Razafindratandra . Ka izay angamba no nahatonga ahy tsy nifanohitra taminy !

(iv) momba ny finoana indray dia tahakin’ny fianakaviana maro eto Imerina izahay , mizara telo : 1. ny protestanta 2. ny katolika 3. ny tsy hay akory fa toa katôlika kanefa koa toa protestanta kanefa koa toa tsy mpino .
Manana fiangonan-drazana protestanta telo izahay ary iray fahaefatra niarahanay nanorina tamin’ny androm-pahazazàko .
Manana fiangonana katôlika anankiroa izahay .
Fa ny tenako manokana dia agnostique , tsy mila sotasota amin’nympino , raha toa ka miahy ny ain’ny olon-kafa ilay mpino .

[Ny zavatra iray toa tsy fantatr’ireo mpomba an’i Rajoelina tonga eto amin’ity serasera ity dia ny hoe : « raha tsy misy tadidy ianao na koa very tadidy , dia tsy afa-manangona fahalalàna , satria ny fahalalànao dia izay voatahirinao anaty tadidinao ihany »]

Tsy naman’ny tezitra aho !
Dia manao veloma anao aho izany , ry Mahitsy !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS