Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h32
 

Répondre à un commentaire

22 février 2021 à 09:52 | arsonist (#10169)

Nanoratra teto amin’ity serasera ity ny besileo foza femelle couillue isandra ,
no sady namerimberina ,
fa « ny Fiangonana katolika gasy , hono , dia isan’ny kitro ifaharan’ity fitondràna ity » .

Dia lasa ihany ny heritreritra eo ampandihina io voalaza io , sy rehefa mampifanindry azy io amin’izay tena miseho marina eto amin’ny firenena .

Hany ka tsy naharitra ny tena , dia nanoratra fanontaniana tsotra sy mazava , napetraka amin’ireo mpino katolika tsotra tsy mba isan’ny lehibe mpitarika ity Fiangonana ity .

Ny fitambaran’ireny mpino tsotra marobe dia marobe ireny manko no Fiangonana ,
fa sady tsy irony trano ivorian-dry zareo irony no koa tsy ireo « lehibe » mpitarika sy mpanome toro marika ireo koa akory .
[Izay no fahazoako azy manokana tamin’ny famakiako ny tantaran’i Kristy avy any Nazareta]

Dia ito manaraka ito ny andalana notsongaiko avy tamin’ny valiny anankiray nosoratana Katolika Malagasy tetoana .

« Katôlika Malagasy répond à arsonist 22 février à 02:18 » Valin’ny commentaire nataon’i « arsonist » momba anay mpino katôlika :
« izahay mpino madinika Katôlika Malagasy dia tsy miray tsikombakomba amin’ireo izay tompon’andraikitra ao amin’ny antokom-pinoana misy anay. » Samy hotsaraina amin’izay ataony ny tsirairay satria araka ny voalaza hoe :« Izay nomena be dia hotakiana be sahaza amin’izay azony ».
« Ny momba an’i Mgr OMAR dia tsy misy idiranay tamin’izay nataony indrindra ny momba ny raharaha 2009. » Torak’izany koa momba an’i RP Pedro.
« Ny zava-misy kosa anefa dia tsy misy miafina amin’ny tsirairay amintsika fa nialokaloka tao andamosin’ny mpitondra fivavahana Katôlika tokoa ny filoha ANR nanomboka tamin’ny 2009 eny fa na dia hatramin’izao aza. »Mitrandraka ny mpitondra ny mpino Katôlika Malagasy i ANR ka sady tsy mety aminay izany no tsy mety amin’ny Malagasy rehetra ihany koa satria tsy tokony hatao fitaovana pôlitika ny finoana Katôlika."

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS