Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 19h20
 

Répondre à un commentaire

21 février 2021 à 20:11 | Shalom (#2831)

1) Tena mahatsikaiky mihitsy ny mahita ny sasany eto indraindray, f’angaha moa ny anarana tsy tanim-boanjo ?
Koa mahagaga ihany fa manahirana azy ireny ny mahita ny anaran’ny tena.
Anarana hoy aho fa tsy solon’anarana.
Ny ahy tsotra ny fijeriko : arangarangako ny anarako mba ho hitan’ny olona toa an-dry baomba ny zavatra lazaiko.

2) Misy ireo olona toa an-i betoko maro holatra sns sns ... izay milaza hoe « je ne suis pas un inconditionnel de DJ tsy ampy solaitra », jereo anefa ny soratra avoakany ankehitrio.
Dia hoy ny tena hoe : fa adinon’ity tary ity ve ny soratra nataony hatramin’izay no jereo ireto lazainy ankehitriny ? Hany ka toa manamafy ny fisian’ny betoko dadanaivo maro mampiasa io solon’anarana io.

Mampatsiahy izany aho satria mahita ny soratr’ity ranamana Rakotobe milaza fa tsy momba an-dRavalomanana hono izy no tsy momba an’i DJ tsy ampy solaitra.
Fanoherana hafa sy vaovao hono ny azy.

Gaga ny tena mahita izany satria toa tsy hita taratra teto mihitsy ny hoe izy mitsikera ny fahoriam-bahoaka vokatry ny politikan’i DJ tsy ampy solaitra. Toa fanilihana ny mpanohitra fotsiny no be soratany : ny fitsikerana ny mpanohitra ve milaza fa mitsikera ny fitondrana ihany koa ? Asa fa mba tiana ho hita ny valin’io fanontaniana io.

Dia ireo mpivarotra omaly no MBA NOTENENINY : amin’ny fo tsy misalasala no anoratako hoe : fa dia tena fadiranovana ve ireo mpivarotra ireo raha ampifanatrehana amin’ireo 75% -n’ny malagasy fadiranovana, ireo rahalahy sy anabavy any Atsimo miady sy mitsaoka ny kere ?
Ary fa ho an’iza moa no iadian’ireo nikasa hanao hetsika omaly fa tsy ho an’ny vahoaka ? Ary anisan’izany ireo mpivarotra ireo ?

Raha tena tsy manohana an’i DJ tsy ampy solaitra ity ranamana ity dia mba tiana ho heno ny heviny momba ireo tetik’asa fopla ataon’ity fitondrana ity.
Saingy tsy hanao izany velively izy fa hiala-pà amin’ny hoe : « voatery hanaraka ny teninao angaha aho », izay toa ilay sorany ery ambony ery.

Aza menatra ry nama fa hevitra no ampiadiana, tohany izay tohananareo.
Aza atao maha-taitra koa fa samy manana ny fomba fiadiny sy fanehoany ny tsirairay, amiko, izay tsy mahatanty miàla.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS