Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 15h41
 

Répondre à un commentaire

20 février 2021 à 19:58 | Shalom (#2831)

@ 20 février à 17:35 | Ibalitakely (#9342) répond à nez_gros ^

Fa misy zavatra vitsivitsy manitikitika ny saina dia ireto avy :- Ny tompon’izany toerana soa mandrakizay izany [fatsoraly na malamousen] ve no niteny mazava ho ren-tany ren-danitra hoe « homeko ny RMDM ny parking-ko hanaovanareo Depiote tatitra @ vahoaka ny sabotsy 20/02/2021 izao » sa hoe ireto préfet & emmoreg sns ireto ve no « organe décideur sa organe exécutant » ka ry zareo no manapa-kevitra ny handefa olona atsy na ary ??


Mitombona tokoa ny fijerinao.
Tamin’ireny volana aprily 2018 ireny raha nidina teny amin’ny kianjan’ny 13 mai ireo vahoaka sy depiote 73 dia ny hoe hanao tatitra no anton’ny hetsik’izy ireo.
Niditra an-tsehatratamin’izany ary ireto milaza ny tenany ho mpitandro ny filaminana.

Fa nahoana anefa no nijanona tampoka teo ireto sarintsarim-pitandro ny filaminana ireo ka tsy nanao ny FAMORETANA ?
Ny « prefet de piloce » ve no nangatak’azy ireo hanajanona ny saika hataony ?

TSIA, tsy ny préfet velively fa ny tompon’i Soamandrakizay ankehitriny io.
Io olona io no nanome baiko ny lehiben’ny miaramila, zandary ary polisy mba hanemotra sy hanala ireo miaramilany.

Izany no zava-misy eto an-tanindrazana. Ary tsy gaga mihitsy aho nandre ilay soso-kevitra hoe eny Soamandrakizay atao ilay hetsika, satria tsy tian’ny k.arana velively ny hetsika ampovoan-tanàna satria mety hanimba ny aferan-dry zareo.
Noteren’ny k.arana i DJ tsy ampy solaitra mba hanakana amin’ny fomba rehetra io hetsika io, izany no anton’ireny fanakanana lavitra dia lavitra ireny mba tsy ahatongavan’ny vahoaka eny amin’ny toerana voatondro.

Izay manan-tsaina sy afaka mandinika dia mahafantatra ny tian-kambara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS