Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 20h02
 

Répondre à un commentaire

30 janvier 2021 à 18:14 | ASSISE (#10453)

DOUBLONS

Aleo tsy hiverenana intsony ny isany, tsy hazava mihintsy io na 1, 10, 100, . . ., 1M

Ny mampalahelo (tena mahasosotra) dia ny fomba fiasan’ilay « ANDRIM-PANJAKANA », izany hoe ireo tompon’andraikitra mampiodina io andrim-panjakana CENI io, kely saina ve sa kajikajy pôlitika lalina mitondra tombontsoa ohatran’ny ahoana marina ?

Raha ny vola nampiasaina tao amin’io CENI io, nanomboka tany amin’ny taona 2010-2013 tany ho any, tsy mampino ny fomba fampiasana ny solosaina sy traikefa avo lenta azo nampiharina tamin’izany mba hanivanana ny anarana sy ny isamarika mifandraika amin’olona iray.

Ho an’ny mpanara-maso, tompon’andraikitra io resaka io, satria raha andraikitrin’ny mpikirakira (opérateur de saisie) no mandray sy mampiditra izany anatin’ny « BASE DE DONNEES ». Ny tompon’andraikitra kosa no manome ny toromarika farany amin’ny fanganana LISITRA FARANY (liste mère ?).

Koa tsotra be ilay resaka, nisy tsy nanao ny asany tao, raha mikatona volana may ny RALE, nahoana no tsy nazava io lisitra io 4-5 volana aty aoriana.

Tsara be ny karama, manara-penitra, fa ny asa kosa dia tena manala baraka. Mihomehy anaty ireo vahiny ireo na tsy miteny an’io fahasagnagnana io.

Asakasaka izay tsy ho menatra.

Tsy ny isany no resaka fa ilay fisiany, DOUBLONS ilay izy.

Azoko an-tsaina ilay vahoaka Malagasy 55M tamin’ny 2018, vendrana be.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS