Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
57 %
Derniers commentaires
- Ombiasy : Nous avions hérité d’un potentiel prometteur et nous laisserons des ruines à (...)
- Stomato : Le velirano n°02 dont la réalisation est prévue pour l’an de grâce 2157 sera (...)
- Stomato : 26 avril à 12:46 | Isandra (#7070) répondait à Isandra ^ >> Sur le site de (...)
- Stomato : >> « La vétusté des infrastructures est l’une des principales sources des (...)
- Isandra : Lékopé, Tel que les travaux de la RN13, lesquels avancent sans tam tam, la (...)
Archives
Tamin’iny 2009 iny, ny antony tena nampitsaoka ny olona tsy dia hoe nanao izao sy izao fa tahotra ilay hoe : « haripaka izay rehetra mpomba sy niara-niasa tamin-dRavalo ».
Nisy adi-hevitra be tao amin’ny miaramila 2 volana lasa izay.
Be ny miaramila no nitsikera ny fitondrana na ny an’ny miaramila io na ny governemanta.
Izay ilay nolazaina hoe saika nisy « coup d’état » nataon’ny miaramila (in-droa io no niseho).
Tamin’ireo nitsikera ireo dia :
nisy ny nihevitra marina ny momba ity firenena ity izay tsapan’izy ireo fa toa lalaovin’ny sasany fotsiny ary anisan’y mpilalao izany ny fitondrana miaramila
nisy ny nihevitra fa nahoana izy no tsy mahazo tombony toa ireo eo amin’ny fitondrana, nahoana no misy zanak’ikala hafa ?
Izay no antony nanaovana ilay « restructuration » sy « réorganisation » farany teo, mba hanomezana toerana ireo nihetsika dia namoraina tamin’ny fitenenana teny Ampahibe hoe : « Dia isika samy isika ve no hifampitifitra eto » ?
Inona tokoa no miseho ao amin’ny miaramila ankehitriny ?
Lasa fomba fitadiavam-bola ny sampan-draharaha maro ao amin’ny miaramila.
Raisiko ohatra ny DSNR fahiny mpikarakara ny momba ny raharaha miaramila (Service National et Recrutement).
Io sampana io dia sampana iray mahaleo-tena tao amin’ny etamazaoro ary miasa akaiky sy mivantana tamin’ny ministera.
Hatramin’ny 2009 no mankaty anefa, dia nalain’ny lehiben’ny etamazaoro nifandimby teo io sampana io ka olona eo ambany fiadidiany mivantana no miandraikitr’izany. Inona ny antony ?
Lasa fidiram-bola ilay izy :
te-ahazo « affectation » any Antsirabe ve ianao satria avy any no fiavianao ? Mandoava vola dia ho azonao izany
te ahazo « rengagement » ve ianao ? Mandoava vola dia ho azonao izany.
Firifiry amin’izao fotoana ireo « cours » fanomanana hidirana ao amin’ny Akmil sy ny SEMIPI izay foronon’ireo manam-boninahitra maro ao amin’ny etamazaoro na ny ministera kanefa « cours » tsy ofisialy na ara-dalàna.
Dia ny mpanaraka ireo « cours » ireo no mifandimby tafiditra isan-taona izao ao amin’ireo sekoly ireo satria NANDOHA VOLA.
Firifiry ireo notakiana vola mba ahazo ny galona jeneraly : 50 tapitrisa ariary no aloha raha te ahazo jeneraly ianao.
Fantatr’ireo minisitra sy lehiben’ny etamazaoro rehetra nandalo teo izany, ary tsy misy afaka ny handainga sy hilaza fa tsy nahalala na mahalala izany fomba ratsy fanao izany izy rehetra ireo.
Tsy ao amin’ny miaramila ihany anefa no misy izany toe-javatra izany fa izay sampan-draharaham-panjakana misy rehetra.
Fa matoa misy ny lazaina hoe « tratra nanao izany » dia satria olona nanao ilay antsoina hoe « en solo » : tsy tafiditra ao amin’ilay « rafitra tsy ara-dalàna » fopla voalaza etsy ambony ary natsangan’ny tompom-pahefana isan-tsokajiny.
"Zava-misy sy marina izany,
Maninona ary raha amboarina.
Mangina ialahy aza miteniteny (foana)
Miandrasa lava ny marina ...
Andraso fa ho tonga eo i Paoly".
(Tarika Mahaleo)