Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h06
 

Répondre à un commentaire

16 octobre 2020 à 13:26 | Vohitra (#7654)

Ahoana moa ny zotra diavin’ny mpanao politika mizaka fahefana eto Madagasikara ?

1. Manendry ny namana sy havana mahatoky any anaty andrimpanjakana
2. Mandroba, mangalatra, maka amimpitaka sy soloky volampanjakana, tanimpanjakana, harena iombonana…miaraka amin’ny fianakaviany sy ny namany
3. Mampiasa ny mpitandro filaminana sy ny mpitsara ho fiarovantena mampihorohoro vahoaka
4. Misambotra sy managadra ny mpanohitra sy ny mpanao gazety mikasa ny hamoaka ny marina
5. Misakana sy mandrara ny RNM sy TVM tsy hamoaka ny vaovao mikasika ny tsy mety ataon’ny mpitondra sy ny namany ary ny fianakavian’izy ireo
6. Rehefa misy ny fihetsehana fanehoankevitra mitsipaka ny fanamparana fahefana ataon’ny mpitondra, dia milalao ny resaka Foko sy Karazana, ary misarika ny raiamandreny ara-drazana sy ny Ampanjaka mba hilalao ihany koa ny resaka Foko mba hisian’ny savorovoro eo amin’ny fiarahamonina
7. Mampiady ny samy Malagasy amin’ny fampiasana mpiakaraman’ady eny anivon’ny fiarahamonina mba hanakorontana izay fihetsehambahoaka mitranga
8. Manome baiko ny mpitandro filaminana hitifitra sy hisambotra ny vahoaka, ary manao fitsarana amehana mba hampidirana amponja izay maneho hevitra fanoherana rehetra
9. Mandositra mitsoaka any ampita rehefa tsy voafehy intsony ny toedraharaha ara-politika eto amin’ny Firenena
10. Miantso fampihavanampirenena sy fiarahana midinika ary fifamelana

Ireo dingana ireo no tsy maintsy tapahina sy foanana ary ravana tanteraka raha mbola mihevitra ny handroso miaraka ao anaty filaminana ny Malagasy, raha mbola mihevitra ny hanarina ity Firenena iombonana ity isika…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS